Ho feno herintaona amin’ny volana aogositra izao ny fikambanana Zah’gasy sahy mandroso, izay tarihin’ny filohany Jean Navandahy Ratiharison.
Foto-kevitra famerimberiny ny sosialim-bahoaka hatao lohalaharana ary mila beazina amin’ny fandraisana andraikitry ny tsirairay ny eny ifotony. Nahabe resaka tato ho ato, taorian’ny fametraham-pialan’ny minisitry ny vola ny mikasika ilay vola 20.000 ariary tokana. Tombony amin’io ny fihenan’ny hadirin’ny vola any anaty kitapon’ireo mpampiasa azy ary tsy hisarika mpangalatra koa izany. Mila beazina ny vahoaka mba tsy hikorontana intsony rehefa misy zava-baovao toy ireny eto amin’ny firenena. Mikasika ny filazana moa fa mety hilatsaka hofidiana filoham-pirenena ny tenany dia nolazainy mazava fa tsy mahamaika izany saingy hodinihana ihany raha ilain’ny vahoaka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.