Politique

Filohan’ny FAT Amin’ny 30 jolay vao hiverina


  • Talata 26 Jolay 2011

Ny 30 jolay izao no fantatra fa andro hahatongavan’ny filohan’ny FAT eto an-tanindrazana.

Araka ny loharanom-baovanay dia fiaramanidin’ny Air France no hitondra azy amin’izany. Ny alin’ny alatsinainy 18 jolay no niala teto i Andry Rajoelina miaraka amin’ny ankohonany. Tsy nambara tamin’izay na ho aiza na hanao inona. Nanome vahana ny tsaho teto an-toerana izany, ka nisy mihitsy no nilaza fa nitsabo tena no anton-diany any. Herinandro aty aoriana ny minisitry ny serasera, Rahajason Harry Laurent vao niezaka nanazava fa «nahazo VISA mankany Etazonia ny filohan’ny FAT ary mananjo hanana ny fiainany manokana izy tsy ho lazaina amin’ny maro». Ny azo antoka dia nandalo tany Frantsa i Andry Rajoelina ary naharitra izy no tao an-toerana. Miparitaka indray ny feo hatramin’ny omaly fa nihazo an’i Maroc izy mianakavy. Fanontaniana tsy misy mpamaly hatreto ny hoe avy aiza ny vola iantohana izany vakansy izany, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra iainan’ny Malagasy izao. I Andry Rajoelina rahateo no nilaza fa anisan’ny politikam-pitantanany ny fitsitsiana sy ny fampihenana ny fandaniana eo anivon’ny fiadidian’ny FAT.

Mohamed sy Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT