Politique

Filohan’ny ATREFA Manongan-tena ny mpitondra


  • Sabotsy 20 Aogositra 2016

Anisan’ireo tamingam-pitolona niaritra hatramin’ny farany teny amin’ny kianjan’ny 13 mey Analakely ny filohan’ny antoko ATREFA (Asa Tsara Reharehan’ny Fampandrosoana An’i Madagasikara), Randria Jean Bia, izay mpikambana ao anatin’ny hetsika Rodobe MTF.

 

 Tsy izahay no hanongana ny fitondrana ankehitriny fa izy ihany no hanongana ny tenany. Anton’izany ny fanitsakitsahan’ireto farany ny demokrasia sy ny fahalalahana ary ny zo haneho hevitra. Tsy mikatsaka afa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy ny fahefana mpanatanteraka, izany hoe, ny fianakaviany sy ny manodidina azy ihany no fantany. Manjaka ny tsy fandriampahalemana ary marobe ny olona maty isan’andro. Tsy mitsangana manoloana izany ny mpitandro ny filaminana fa rehefa misy olom-pirenena maneho hevitra araka ny lalàmpanorenana sy ny demokrasia araka ny tany tan-dalàna anaty repoblika dia mailaka izy ireo. Feno teo ny miaramila mitam-piadiana sy nampatahotra ireo Malagasy maneho hevitra an-tanam-polo. Tsy hifarana anefa, hoy izy, ity tolona ity raha tsy miala ny filoham-pirenena.

 

Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT