Ny minisitry ny asa vaventy, Eric Razafimandimby, izay sady minisitra mpiahy ny faritr’i Sofia no nirahin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina sy ny praiminisitra Mahafaly Olivier,
nisolotena ny fitondram-panjakana nitondra fanampiana ho an’ireo traboina tany amin’ny kaominina Ambanivohitra Antsakabary ao amin’ny distrikan’i Befandriana Avaratra ny fiandohan’ny herinandro teo. Vary 84 lasaka miampy kojakoja fampiasa amin’ny fiainana andavanandro, toy ny sio miisa 50, koveta 50 ary simenitra 20 lasaka no natolotry ny fitondram-panjakana ho an’ireo traboina na teo aza ny tsikera isan-karazany nametra-panontaniana ny maro ny amin’ny mbola hifampieran’ireo manampahefana nialoha ny nidinana tany an-toerana. Nolazain’ny praiminisitra fa hifanaraka ny tenany sy ny filoham-pirenena izay hidina hijery ny zava-misy any amin’ity toerana nahamaizana trano maherin’ny 400 sy naha traboina vahoaka maro ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.