Politique

Filoha Zafy Albert Nivoaka ny fahanginany


  • Talata 16 Novambra 2010

“Tsy milamina ny tany, mandry tsy lavo loha ny Vahoaka, tandindomin-doza ny firenena, manjaka ny jadona sy ny kolikoly”. Fehezanteny voalohany tamin’ny fanambaran’ny filoham-pirenena teo aloha ny profesora Zafy Albert izany.

Notohizany ihany koa fa dia “manjaka ny fankahalana sy ny valifaty. Tsy hay kosehina ary tsy fanadino ny tantara izay Aina sy Fanahy maha firenena ny firenena”, hoy ihany ny profesora. Manoloana izany indrindra dia manao antso avo amin’ny tafika sy ny fitsarana ny tenany. Tandroka aron’ny vozona ary fanantenan’ny marina ireo, mpanavotra ny vahoaka voan’ny tsindry hazo lena ihany koa, hoy ihany izy ka tokony handray andraikitra. Iarahana mahalala anefa ankehitriny fa sehatra roa tena mampikolay ny maro an’isa na ny tafika noho ny maha hery famoretana azy sisa, eo koa ny fitsarana izay zary lasa biby fampitahorana sy fandrahonana ireo rehetra tsy mitovy hevitra amin’ny fitondrana misy ankehitriny.

Tsy ireo ihany anefa no nanaovany antso avo fa teo koa ny vahoaka izay nambarany fa manana andraikitra tokony horaisina, hoy ity filoha teo aloha. Dia ny fifandraisan-tanana sy ny hanao tongotra miara-mamindra hivoahana amin’izao krizy izao. Raha ny hita manko aloha hatreto dia karazan’ny mitazam-potsiny ihany ny maro an’isa na dia eo aza ny tsy rariny, ny jadona ary indrindra indrindra ny fiakaran’ny vidim-piainana. Efa elaela ihany no tsy nandrenesana ny filohan’ny CRN niteny. Nivoaka tamin’ny fahanginany ny lehilahy ankehitriny dia tsy vitsy ireo nametra-panontaniana ny amin’izay antony izao fanambarana izao. 

Nangonin’i Soa
 
Sary : Pr Zafy Albert, nandritra ny fanambarana tao amin’ny «Villa Elisabeth» omaly

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT