Politique

Filoha Rajaonarimampianina Niteniteny foana indray


  • Alatsinainy 17 Jolay 2017

Ny fanajana ny zo sy fahalalahan’ny hafa, ny fahaterena hiaro ny filaminam-bahoaka ary ny fiarovana ny fahamendrehan’ny firenena sy filaminan’ny fanjakana,

 hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny “fotoam-bita” vaovao no fetran’ny fahalalahana maneho hevitra. Niompana tamin’izay resaka fahalalahana maneho hevitra izay moa ny fotoam-bita amin’ity herinandro ity ary somary misy fiampangan-tena ihany ny voalazan’ny filoha niteny ireo teboka telo ireo. Mampametra-panontaniana hoe taiza ho aiza tamin’ireny fanakanana ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny antoko Tiako I Madagasikara ireny no nisy endrika fanajana zo sy fahalalahan’ny hafa ? Na ny ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra aza tsy navela hampiasa ny kianjaben’i Mahamasina akory. Niteraka filaminam-bahoaka sy fahamendrehana ho an’ny firenena ny zava-niseho tato ho ato maneho amin’izao tontolo izao fa tsy voafehy ny toe-draharaham-pirenena eto amintsika. Rehefa tsy mitokona dia manambana hitokona ireo mpiasam-panjakana. Tsy mbola tafapetraka ny lehiben’ny mpanohitra. Ny fitsaram-bahoaka sy ny asan-dahalo moa manginy fotsiny. Ny fanjakana izay lazaina fa vahoaka ve no milamina amin’izao fotoana izao sa ireo olom-bitsy mpitondra ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT