Raha tsy misy indray ny fiovana amin’ny ora farany dia tokony ho fantatra amin’ity anio ity ny anaran’ireo olona 44 handrafitra ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na FFM, rafitra ambaran’ny tondrozotra fa hiandraikitra ny fanomezana ny famotsoran-keloka sy hanatanteraka ny fampihavanam-pirenena.
Raha tsiahivina kely moa dia niteraka olana ny fahafantarana ny anaran’ireo olona saika hisafidianana mba handrafitra azy ity telo volana latsaka kely lasa izay, satria toa ny anaran’ireo olona mpikarakara ny fifantenana ihany no tafiditra tao anatin’ny lisitra. Ireo olona ireo koa anefa dia efa hita ihany fa tsy nahavita nampihavana na dia efa nanandrana nanao izany im-betsaka aza, nanomboka tamin’ny 2010. Hany ka totoafo ny tsikera, eny fa na dia avy amin’ny fitondrana tetezamita aza, koa dia rava maina ny resaka ary tena nitsivalana tamin’ny fanendrena ireo mpikambana tao amin’ny FFM mihitsy ny filohan’ny tetezamita.
Efa nisinisy ihany ny fifampiresahana sy fifampidinihana taorian’izay, koa manantena ny rehetra fa mba tena ho matotra amin’izay ny fandrafetana ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy amin’ity indray mitoraka ity, izay hita ho saro-piterahana tokoa. Tsy ho mora ny asan’ny FFM satria ao anatin’ny efa-bolana izany no tsy maintsy hametrahana ny fitoniana amin’ny alalan’ny fanaovana ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanam-pirenena. Maro ny mahita fa mety tsy dia hisy olana ilay voalohany, saingy ilay faharoa kosa no mampieritreritra satria tsy mampino izany hoe fampihavanam-pirenena ho vita ao anatin’ny efa-bolana izany.
Mety mba hafahafa ihany ny fandehan’ny raharaha raha toa ka efa natomboka tamin’ny volana oktobra ilay izy, saingy tena tsy mbola nisy mihitsy aloha izany hatreto fa dia fivoriana etsy sy eroa miampy fanangonan-kevitra no natao. Mbola baraingo ihany koa ny hoe : hiara-kiasa amin’ny FFKM ve izany ny FFM satria toa samy miresaka fampihavanana ny roa tonta ? Mety tsy hitovy anefa ny fomba fitondrana ny asa. Tsy sanatria fijerena tavan’olona saingy mila olona tena matotra, ary eken’ny rehetra fa olon’ny fampihavanana tokoa no mandrafitra ny FFM, fa raha tsy izany dia mety ho savorovoro no hitranga eto fa tsy fampihavanana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.