Politique

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy Mila mangarahara, hoy ny Voifiraisana


  • Alarobia 26 Jolay 2017

Nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny komity mpifantina ireo ho mpikamban’ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) ny Vovonana Iombonan’ny Firaisamonim-pirenena eto Madagasikara (VOIFIRAISANA) mba hanolorana soso-kevitra amin’ny sivana sy fifantenana hatao.

 

Nandefasana dika mitovy ny rafitra isan-karazany toy ny Firenena Mikambana, Vondrona Afrikanina, Bianco, minisiteran’ny serasera … Vonona hitondra ny traikefany ny Voifiraisana, izay efa hita tamin’ny sehatra fitadiavam-bahaolana maro teto amin’ny firenena. Tsy ampy traikefa sy tsy nanaraka ny etika tokony hananana ireo rafitra hampiavana miisa roa efa natsangana teo aloha, ka izay no antony hananganana vaovao indray, izay ilàna fitandremana mba hisian’ny fahombiazana satria eo am-pelatanan’izy ireo ny hoavin’ny firenena. Manolo-kevitra amin’ny fomba hifantenana ireo olona handrafitra ny CFM ny Voifiraisana. Tokony hifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna lah. 2017-37 (andinin-dalàna 12,13,14,15 ary 16) momba ny fampihavanam-pirenena ny fantina voalohany. Kandida 2 na 3 isaky ny faritra no raisina amin’ny fantina voalohany, ary hampandalovina fanadihadiana ara-moraly sy ara-pitondran-tena eo anivon’ny BIANCO izy ireo avy eo. Tokony hitovy ihany koa ny kandida rehetra amin’io sivana io : vaovao mitovy amin’ny fotoana mitovy ho an’ny rehetra. Tsy tokony hanana zo amin’ny fandinihana ny antontan-taratasin’ny kandida ny olona mpikambana ao amin’ny komity mpifantina iray raha misy ny rohim-pihavanana eo amin’ny roa tonta. Tokony hisy ny vondrona mpanara-maso hatsangana mba hitazona ny toeran’ny mpanelanelana manoloana ny mety ho tsy fetezana sy toe-javatra tsy ara-dalàna, ka tokony ho hita ao ny Bianco, CSI ary ny Voifiraisana. Mila mahalala vaovao momba ny dingana rehetra sy ny antanatohatra rehetra narahina ihany koa ny herivelona rehetra eto amin’ny firenena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT