Hisokatra anio ary tsy hifarana raha tsy ny 14 jolay izao ny firotsahana ho kandidà handrafitra ireo mpikambana ao anatin’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy.
Nanao antso avo ireo malagasy rehetra mahafeno ny fepetra ahafahana mandrafitra izany tetsy amin’ny Maison de la francophonie etsy Antaninarenina omaly ny komity mpifantina. Kandidà 22 voafidy, izay 1 isam-paritra ary 22 mpisolo toerana moa no handrafitra ny filankevitra ary hisahana ny lafiny fampihavanam-pirenena. Fa anisan’ny tafiditra ao koa ny hametrahany tontolo politika mirindra mba tsy hiverimberenan’ireo krizy lavareny eto amin’ny firenena intsony. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ilay anarana entin’ity filankevitra ity (Conseil du fampihavanana malagasy) izay amin’ny teny frantsay sy ny antony nanaovana ny antso tao amin’ny maison de la francophonie.Olona efa feno 40 taona, tsy mbola nisazy, tsy ao anaty rafi-panjakana, tsy ao anaty antoko politika ary manana traikefa amin’ny resaka fampihavanana, ireo no fepetra lehibe takiana amin’ireo mikasa ny hiditra ao anatin’ity komity ity.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.