Politique

Filankevitra Avon’ny Tetezamita Naseho masoandro ireo mpikambana 90


  • Talata 12 Oktobra 2010

Nampahafantarina ara-pomba ofisialy omaly tao amin’ny lapan’Anosikely ireo 90 mianadahy mpikambana ao anivon’ny ny Filan-kevitra Avon’ny Tetezamita (FAT). Ny didim-panjakana laharana 2010-851 no nanendry azy ireo.

 Raha ny fitsinjarana toerana dia ny Fiadidiana ny tetezamita nahitana mpikambana 06, Olobe ahitana mpikambana 06, TGV manana toerana 10, UDR-Fanovana - 25, ESCOPOL-18, HSPM – 02, AREMA -02, ary TIM – 21. Efa loholona teo aloha ny 16 amin’ireto farany. Nisy ministra FAT teo aloha, niverina anaty FAT indray toa an’i Ny Hasina Andriamanjato, Gilbert Raharizatovo, Alain Tehindrazanarivelo, Alain Andriamiseza ary Rakotonirina Jean Claude. Saika filohan’antoko ny ankamarony. Daniel Ramaromisa no zokiolona ary Ranaivoson Jean Désiré no zandriolona indrindra, amin’ireo mpikambana FAT ireo, nitarika ny fivoriana voalohany omaly.

Hivory mandritra ny 15, izany hoe nanomboka omaly ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao ireto mpikambana amin’ny FAT ireto, ka anio dia hisy ny fivorian’ireo vondrona tsirairay ary rahampitso no hotanterahina ny fifidianana izay ho mpikambana amin’ny birao maharitra. Asa na ho fantatra alohan’izany ny fitsipika anaty hifehy ity FAT ity, izay tokony hamaritra mazava ny fifidianana sy firafitry ny birao maharitry ny FAT. Tsara ny mampahafantatra fa efatra tamin’ireo mpikambana tao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita teo aloha no tsy voatendry ho mpikambana ao amin’ny Filankevitra Avon’ny Tetezamita ankehitriny, dia i Tsiandopy Jacky Mahafaly, Robertine Rabetafika, Ratovonomenjanahary ary Ranaivoarisoa Henri.
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT