Herinandro taorian’ny nidirany teny Tsiafahy dia navoaka tao vetivety monja izy ireo ary nentina tetsy Anosy. Ny antony dia ny mba hanaovana fanadihadiana ifotony azy roalahy ireo. Mazava loatra manodidina ny raharaha FIGN hatrany.
Tsy nisy ny nipika amin’ny maha-fanadihadiana ifotony azy. Raha atambatra izany dia efa saika vita avokoa ny fihainoana ireo zandary 22 izay tafiditra tamin’iny raharaha fikomiana miaro vonoan’olona iny. Mbola omaly ihany koa no niakatra nohainoan’ny olona mitovy i Josiane Ranaivo sy ny pasitera Tiburce Soavinarivo, samy mpanao gazetin’ny Radio Fahazavana izay nosamborina mahakasika iny raharaha iny hatrany. Naverina any am-ponja nitazonana azy avokoa moa izy ireo taorian’ny nanaovana fanadihadiana ifotony azy. Tsikaritra fa mihazakazaka ny fitsarana amin’ity raharaha ity. Na izany eo amin’ny hafainganan’ny fanadihadiana, na koa izany amin’ny fitadiavana ireo olona mbola voarohirohy ka nomena taratasy fiantsoana. Ny tena maika amin’ireo mpanao fanadihadiana dia ny fitadiavana ireo pasitera mpitarika ny Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana izay voalaza fa tsy hita popoka. Anisan’izany ny pasitera Roger Andriamisata izay nilaza ho nahita ilay olona nitifitra ny pasitera Rivo Arson tamin’ny 20 mey tao amin’ny FIGN. Ny momba io indray dia ny hanadiovan’ny Emmo-Reg tena no tena tanjona raha ny tsiliantsofina. Amin’izay mantsy afaka madiodio ireo rehefa hiteny – na hoterena hiteny – ilay pasitera fa tsy ny olon’io sampan’ny mpitandro filaminana io ilay nitifitra nahafaty. Mihazakazaka ny fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana amin’ity raharaha ity. Tsy hohazavaina intsony ny antony…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.