Feno hipoka tao amin’ny Magro Behoririka ny Sabotsy 17 jolay teo, toerana ifampizaran’ny ankolafy telo vaovao sy andraisan’ny mpomba azy ireo ny toromarika amin’izay fizotry ny fitakiana amin’ny fiatrehana tetezamita iaraha-mitantana hiverenana any amin’ny ara-dalàna eto Madagasikara.
Fa nanamarika ny fotoana tamin’io ihany koa ny fandraisam-pitenenana mivantana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana, sady filoha mitarika ny ankolafy Ravalomanana rahateo, nanazavany ny fandehan’ny fikatsaham-bahaolana ataon’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny fahitany ny toe-draharaha eto Madagasikara. Ankafaliana lalandava moa no nifandraisany tamin’ny tao amin’ny Magro.
“Miresaka mivantana aminareo aho, hilazako ny zavatra ataoko aty. Amin’izao fotoana izao aho dia manomana ny fihaonambe faha-15 ataon’ny Vondrona Afrikanina, izay hatao amin’ny 25 ka hatramin’ny 27 jolay ho avy izao any Kampala renivohitr’i Oungada, hijery akaiky manokana ny raharaha aty Madagasikara sy ireo firenena hafa aty Afrika. Hanao izay hampiverenana haingana ny filaminana sy ny fiainana aty Madagasikara mba hizotra ara-dalàna ny Vondrona Afrikanina, izay isaorana lehibe amin’izany. Ny vondrona SADC rahateo manao izay ho afany. Mampanantena izy ireo ary milaza fa tsy maintsy hitadiavana vahaolana i Madagasikara satria efa manomboka fadiranovana ny Malagasy noho ny fisondrotan’ny zavatra ilaina rehetra, vokatry ny sazy mihatra amin’ny firenentsika, na ny ankizy hanao fanadinana aza dia hita fa sahirana amin’ny fitaovana izay hampiasaina amin’izany. Faharoa : ny vidin’entana dia misondrotra andro aman’alina ary ny fahatelo dia raha tsy miverina ara-dalàna tsara ny filaminana dia tsy afaka hampandroso velively ny firenena anankiray noho izany ireo mpandraharaha ; ary ireo mpanome ny vola dia tsy ho avy aty Madagasikara mihitsy raha tsy milamina ny tany. Koa dia manao izay azo atao ny firenena rehetra ny fianakaviambe iraisam-pirenena milaza fa tsy havelany raha tsy milamina i Madagasikara. Hiaraha-malala tsara ny kabarin’ireo olona nilaza fa tsy misy afa tsy ny mamerina amin’ny laoniny an’i Madagasikara raha tsy ny fifidianana malalaka sy mangarahara ary eken’olona rehetra, raha mandeha ila dia tsy handeha mihitsy izany akory. Momba ny fikaonandoham-pirenena dia mazava fa raha tsy andraisan’ny besinimaro anjara ary tsy andraisan’ny ankolafy rehetra anjara dia tsy mety mihitsy”,hoy ny vontoatin-kabarin’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra io sabotsy io. Tsy mbola nandrenesam-baovao mikasika ity fivorian’ny Firaisambe Afrikanina hatao any Kampala ity kosa ny FAT. Mety voaasa ho any ve i Andry Rajoelina sa tsia? Ho hita eo ihany ny tohiny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.