Politique

Fikarakarana fifidianana Tsy misy rantsamangaikan’ny CENI ao Toamasina


  • Alarobia 06 Oktobra 2010

Nambara foana fa fanovana hanatsarana ny fomba fifidianana sy hampangarahara ary tsy hisian’ny hala-bato, ny nananganana ny CENI na ny komity nasionaly mahaleotena misahana ny fifidianana.

Hatramin’izao aloha dia ny foibeny no mbola misy sy miasa, fa ny rantsa-mangaikany dia tsy mbola tafapetraka any amin’ny faritra sy kaominina ary ny distrika maro manerana ny nosy, ka anisan’ny tsy manana izany ny ao Toamasina. Tsy mbola ahitana ny CER na ny Komitim-paritra momba ny fifidianana, ny CED na ny Komity eo anivon’ny distrika misahana ny fifidianana, ao Toamasina. Ny distrika izay nosoketaina fa mpanovaova fifidianana, mpanaraka baikom-panjakana, novantanina mihitsy aza fa mpangala-bato ho tombontsoam-panjakana, indray izao no nampiasain’ny CENI hamita ny asa tsy vitany vokatr’io tsy fipetrahan’ny CER sy ny CED any amin’ny faritra io. Lasa ireo lehiben’ny distrika indray no mandray sy mandrindra ny fampielezan-kevitra. Raha ho an’i Toamasina dia fikambanana telo izao no nametraka fangatahana hanao fampielezan-kevitra ka roa ho an’ny mpanao ny «ENY», iray kosa ho an’ny mampanao ny «Tsia».

Na izany aza dia mbola mangina ny tanàna tsy toy ny fampielezan-kevitra hatramin’izay. Banga tsy mbola misy soratra na sary ireo takelaka fanaovana dokambarotra politika, ny natokana ho an’ny mpanomana fifidianana aza tsy misy na inona na inona ihany koa, noho ireo andinin-dalàna sy fehezan-dalàna tsy an-tanana ho an’ny distrikan’i Toamasina. 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT