Politique

Fikarakarana fifidianana Tsy matoky ny CENI i Andry Rajoelina ?


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Niantso ny traikefan’ireo lehiben’ny distrika i Andry Rajoelina hanampiana ny CENI amin’ny fikarakarana fifidianana.

 Nakarina eto an-drenivohitra avokoa ireo lehiben’ny Distrika manerana ny Nosy ary navory niaraka tamin-dry zareo ao amin’ny CENI omaly, ankoatra ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Tao anatin’izany no nanomezan’i Andry Rajoelina fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana jolay 2011, mba hanangonana ireo taratasy fanisam-bahoaka naparitaka isan-tokantrano, hahafahana mandrafitra lisi-pifidianana. Tokony hifarana tamin’ity faran’ny volana jona ity izy io, raha ny vinavinan’ny CENI. Ity farany izay efa nanemotra ny fe-potoana io hatramin’ny 15 jolay kanefa dia izao nitatra any amin’ny faran’ny volana jolay izao indray. Endrika iray isehoan’ny tsy fitokisana io. Rafitra mahaleotena rahateo ny CENI raha ny nananganana azy, ary manana ny rantsa-mangaikany hatrany anivon’ny Kaominina, sy hatreny amin’ny Fokontany amin’ny alalan’ireo mpiadidy fifidianana. Ny fampidirana indray ireo lehiben’ny distrika ao anatin’ity raharaha ity anefa dia azo antoka fa hampikorontana ny asa ateraky ny fifanitsahana andraikitra

. Hifanindry aloka ny CED, rafitry ny CENI eny anivon’ny Distrika, sy ny ekipan’ny Distrika izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Atitany. Ireto farany manana traikefa amin’ny fikarakarana fifidianana, ny CED koa tsy hanaiky lembenana satria izy ireo no rafitra voatondron’ny lalàna fa mikarakara ny fifidianana. Ny fanapahan-kevitra noraisin’ny filohan’ny FAT niantso ireo Lehiben’ny Distrika hifanome tanana amin’ny CENI koa dia mampibaribary fa tsy matoky ny CENI izy. Ny fanazavana nomeny tato ho ato mikasika io fifidianana io rahateo dia maneho izay ahiahy izay. Ny tsy mbola namaritana hatramin’izao izay fifidianana tena hatao, sy ny daty hanaovana azy koa dia milaza fa tsy matoky ny hahafahan’ny CENI manatanteraka izany i Andry Rajoelina. Etsy andaniny indray koa ny Dr Simao, nilaza omaly, nialoha ny niaingany, fa ny Firenena Mikambana no handroso ny tetiandrom-pifidianana. Ny Ankolafy Ravalomanana koa dia mazava ny azy fa fifidianana eo ambany fiahiana sy fanaraha-mason’ny Firenena Mikambana ihany no ekeny. Dia misavorovoro eto ny raharaha !

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT