Mandeha etsy Anosy amin’izao fotoana izao ny atrikasa manokana iarahana amin’ireo antoko politika 190
izay karakarain’ny komitim-pirenena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny fandaharan’ny firenena mikambana momba ny fampandrosoana (PNUD) mba hijerena ny marimaritra hifanarahan’ireo mpanao politika amin’ny fomba ahafahana manatsara ny tontolom-pifidianana eto amintsika, hoy ny filohan’ny CENI, Hery Rakotomanana. Zava-dehibe miabo hita ao anatin’ny atrikasa toy itony sy izay rehetra efa vita hatreto moa, raha ny fanazavany, dia ny fanehoana miharihary fa misokatra amin’ny ankolafin-kery rehetra ny CENI. Isan’ny notononony tao anatin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety ary ny mpanao politika.
Mipetraka ny ahiahy
Ankoatry izay moa dia niaiky ity filoha ity fa maro ny tsikera mikasika ny CENI. Ankoatra izay fisokafana izay anefa dia mbola sarotra ho an’ny sarambabem-bahoaka hatrany ny tena fetran’ny fahefana ananan’ity vaomiera ity ary isan’ny mbola naverin’ity filoha ity namarana ny teniny fa tsy fahefan’izy ireo ny manova ny lalàn’ny fifidianana fa dia ny mametraka ny tolo-kevitra voaangona amin’ireo ankolafin-kery nasaina amin’ny fitondram-panjakana ihany no anjaran’izy ireo. Mipetraka hatrany ny ahiahy rehefa mandeha ny karazana fivoriana tahaka itony satria dia voalaza mazàna fa ny fehin-kevitra efa voaomana nialoha ny atrikasa sy fivoriana hatrany no hampiharina amin’ny farany. Toy izay nitranga tamin’ny lalàn’ny serasera farany teo.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.