Nanao fanambarana an-tsoratra nanehoany ny heviny sy ny ankolafy tarihiny ary nitondrany fanazavana mikasika ny fikaonandoham-pirenena kasaina hatao eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana.
Tamin’izany no nanamafisany fa raha mbola hevitra ankolafy tokana ka tetiandro efa voafaritra mialoha ary zavatra efa nomanina tany ho any no kendrena hankatoavin’ny mpizaika dia ho zava-poana sy tsy hamaha ny krizy eto amin’ny firenena na oviana na oviana izany. Nampahatsiahy ny filoha Ravalomanana fa maro ny fikaonandoham-pirenena nandaminana krizy nandrotika firenena maro tany Afrika tamin’ny taona 90. Nosinganiny tamin’izany ny raharaha anatin’ny samy Kongôley (RDC) sy ny tao Afrika Atsimo. Nandray anjara avokoa tsy nisy nailika ny antoko sy ny hery velona tao amin’ny firenena isanisany avy, niara-nikaondoha nikaro-bahaolana izay niafara tamin’ny fifanarahana politika izay tenieranan’ny rehetra ny fampiharana azy namaranana ny krizy. Koa raha misy ny mihevitra ka misisika hanao samirery ny fikaonandoham-pirenena, mba hahazoana fankatoavana iraisam-pirenena dia ho asa very maina izany, hoy ny filoha teo aloha Ravalomanana. Raha mbola misavoritaka ny tontolo politika ka tsy mazava ny fitsipi-dalao, raha mbola betsaka ny any am-ponja noho ny hevitra nijoroany, raha mbola misy ny faneriterena tsy isian’ny fahalalahana demokratika, raha mbola fehezin’ny mpitondra ny fampahalalam-baovao, ary mbola misy mpanao gazety any am-ponja dia ho maty ankaranany ihany izay fikaonandoham-pirenena heverin’ny mpitondra mahefa hatao.
Na izany aza ny filoha Ravalomanana dia nilaza fa tsy manda ny hanaovana fikaonandoham-pirenena ny ankolafy tarihiny, raha toa ka hanampy amin’ny famahana marina ny krizy lalina sedrain’ny firenena izany, vahaolana izay efa nofaritana tany Maputo sy Addis Abeba. Milaza ho vonona handray anjara ny firehana tarihiny raha voahaja ireto fepetra manaraka ireto : mandray anjara avokoa ireo antoko sy firehana politika misy eto Madagasikara, arahina ny drafitra sy ny fotokevitra nitondran’ny SADC ny dinika ka izay tapaka eo dia natao hanampy amin’ny fampiharana ireo fifanarahana efa vita sonia ary tsy azo ekena ny tetiandro efa voafaritra mialoha, na koa sori-dalana efa nanaovana tsikombakomba nifanarahana tany mialoha ny fikaonandoham-pirenena fa tsy tenieranan’ny rehetra. Nanamafy ny filoha Ravalomanana fa manohana hatrany ny ezaka famahana ny krizy nataon’ny vondrona SADC izay, nanendry ny filoha Joaquim Chissano hitarika ny ekipa ho famahana izany krizy izany.
Lavina ary tsipahin’ny ankolafy Ravalomanana izay paika rehetra mety hifanohitra amin’izany. Vonona ny handray anjara kosa izy ireo raha toa ka manampy amin’ny fampiharana sy fanatanterahana ireo fifanarahana efa vita sonia ny dinika izay hatao raha tsy izany, hoy ny fanambarana, dia vao hamotika ny ezaka sy ny dingana efa vita izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.