Politique

Fikaonandoham-pirenena Mpizaika voafantina no hasaina eny Ivato


  • Alakamisy 09 Septambra 2010

Tsy manomboka akory ny fikaonandoham-pirenena dia efa hosoka no mandeha. Vao mainka izay fifanarahana hivoaka eo.

Efa vita mialoha ! Nandany andro sy fotoana ny Raiamandreny Mijoro sy izany Vondron’ny olom-pirenena izany nandrafitra ny lisitr’ireo mpizaika hisolotena ny distrika manerana ny Nosy, handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena karakarainy manomboka amin’ny alatsinainy 13 septambra ho avy io. Nasaina notononina tao amin’ny radiom-pirenena Malagasy mihitsy io lisitra io. Tsy ireo olona efa voafantina nandritra ny Dinika Santatra anefa no voatonona fa anaran’olon-kafa, tsy fanta-piaviana no betsaka. Tsy hoe fifandisoana tao amin’ny RNM no nahatonga izany fa avy any amin’ny mpikarakara mihitsy. Porofon’izany ny fialan-tsiny maivamaivana nataon’ny Raiamandreny Mijoro, tamin’ny alalan’i Maka Alphonse, mpiandraikitra ny seraserany, tao amin’ny RNM ny alarobia 08 septambra antoandro ka niaikeny fa nisy fahadisoana.

Na izany aza “tsy tongatonga ho azy izany fa niniana natao”, hoy ny any anivon’ny distrika any. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny tao Tolagnaro, faritra Anosy. Tezitra ireo olona voatendry nandritra ny Dinika Santatra notontosaina ny faran’ny volana jolay 2010 teo hisolo tena an’i Tolagnaro amin’ny fikaonandoham-pirenena, fa nosoloina anaran’olon-kafa ny anaran’izy ireo. Mazava ankehitriny ny tian’ny FAT hahatongavana amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mihamitombina ihany koa ny ahiahin’ny mpizaika avy any amin’ny distrika any fa misy mitady hamilivily ny hevitr’izy ireo. Io anefa no anisan’ny niteraka korontana tao Toliara farany teo. Raha natao tokoa mantsy iny Dinika Santatra iny, dia nilaza mazava fa tsy handray anjara ny Ankolafy Telo. Na dia efa ny samy mpanohana ny fitondrana FAT indray aza anefa no nizaika tao dia ny fandravana ny FAT, ny fananganana tetezamita tena izy, famoahana gadra politika arahina famotsorankeloka faobe ary fizakantenan’ny Faritra na ny faritany mizakatena teo aloha no takian’ny mpizaika. Araka ny fantatra aza dia io avokoa no hevitra nivoitra tany amin’ny Distrika miisa 110 amin’ny 119 nanaovana Dinika Santatra.

Nivoaka sempotra, araka izany, ny Raiamandreny Mijoro izay nomen’ny FAT iraka handray an-tanana ny fanatanterahana azy, fa tsy arakarak’izay nandrasana ny vokatra. I Andry Rajoelina anefa efatra andro nialoha ny Dinika Santatra dia niteny mazava tao amin’ny haino amanjery raha niady hevitra tamin’ny mpanao gazety ny 25 jolay, fa tsy mety aminy ny tetezamita iaraha-mitantana, mbola narahiny koa ny 29 aogositra, iray volana taty aoriana, fa tsy mety amintsika ny federalisma. Mazava fa dia mivadika ho sivana amin’ny fandraisana anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena io. Ny hiaro ny hevitry ny mpizaika nandritra ny Dinika Santatra tany amin’ny distrika niaviany avy anefa no tsy maintsy hataon’ireo olona voatendry handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena. Mailo ny Raiamandreny Mijoro sy izany vondron’olom-pirenena izany, ka dia naleon’izy ireo nanao sivana ka nandroso lisitra mpizaika vaovao sao tratry ny “surprise” indray amin’ny herinandro. Ny dikany dia tsotra, misy zavatra efa vita mialoha indray any haroso hankatoavin’ny mpizaika. Maneno koa ny sorabola folo miliara natokana ho an’ny fikaonandoham-pirenena, ka mety ho maro ihany ny sodoka. Ho hita eo ihany.

 
Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT