Politique

Fikaonandoham-pirenena Misy delegasiona sandoka


  • Talata 14 Septambra 2010

Nisokatra nanomboka omaly teny amin’ny ivotoeram-pivoriana iraisampirenena Ivato ny fikaonandoham-pirenena. 4.000 mahery ny isan’ireo mpandray anjara araka ny tarehimarika avy amin’ny mpikarakara.

Raha ny lamina nomanin’ny Raiamandreny Mijoro teo am-piandohana tokoa no notanterahana dia solontena folo isaky ny distrika no miatrika ity fihaonana ity ka ny mpizaika nandritra ny Dinika Santatra no nifidy azy ireo. Maro anefa no mitaraina fa niova tanteraka ireo mpandray anjara na koa niampy olon-kafa mihitsy ny lisitra. Nahitana taratra ity toe-javatra mamohehatra ity, ohatra, ny delegasiona avy Mandritsara faritra Sofia araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olom-pirenena teto amin’ny gazety Tia tanindrazana. Mpamily fiarakaretsaka mirahalahy izay nitondra ireo delegasiona ireo teny Ampefiloha ny sabotsy hariva no nitantara : «Handeha haka ny ‘badge’ no nalehan’izy ireo teny Ampefiloha raha ny filazany. Nilaza taminay ireo mpizaika avy any Mandritsara ireo teny an-dalana fa olon-kafa mihitsy no voatendry hiatrika ny fikaonandoham-pirenena saingy novaina azy ireo izany. 9 mianadahy izy ireo ka vehivavy ny iray. Nambaran’izy ireo koa fa tsy mahafantatra izay iraka ampanaovina azy akory izy ireo».

Raha ny fitantaran’ireto mpijoro vavolombelona ihany dia tsy niova akory ny lisitra fa ny anaran’ny solontena ara-dalàna ihany no nampiasaina hisolokiana. Naneho ny ahiahiny sao ho sarona moa ireto farany raha sanatria misy ny fiantsoana anarana. Mba hanaronana ny marina, izany hoe tsy afahahana mamantatra ny endriky ny tena tompon’ny sary sy ireo mpisandoka dia natao matroka ny «badge». Sandaina vola 20.000 ariary isanisany ireto delegasiona hosoka ireto mandritra ny enina andro ijanonany eto an-drenivohitra ankoatra ny fiantohana ny saram-pitaterany sy ny sakafony. Naterina teny amin’ny Mompera Soavimbahoaka izy ireo ny harivan’ny sabotsy kanefa raha ny tokony ho izy dia eny amin’ny ANS Ampefiloha sy ny Lisea teknika no toerana natokana handraisana ny mpandray anjara lavi-ponenana rehetra. Santionany amin’ny fitapitaka miseho amin’ity lazaina fa fikaonandoham-pirenena ity izany fa mbola maro ny tsy fanodinkodinana ny hevitry ny vahoaka tapaka nandritra ny Dinika Santatra. Ny faran’ny herinandro teo, ohatra, dia efa nanambara ny COSC fa olon-kafa tsy araka ny lisitra lanieran’ny besinimaro no natao solontena ho an’Antananarivo Atsimondrano. Asa inona loatra no tena atahoran’ny Raiamandreny Mijoro mampihatra ny fahamarinana sa tena mitombina tokoa ny ahiahy fa fitaovana ampiasain’ny FAT izy ireo ?

Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT