Politique

Fikaonandoham-pirenena Mifanipaka sahady ny CNOSC sy ny FAT


  • Alarobia 25 Aogositra 2010

Nanao tatitra tamin’ny mpanao gazety omaly tao amin’ny foiben-toerany teny Ampefiloha ny komity mpikarakara ny Dinika Santatra. Nandritra io fihaonana omaly io no nanambaran’ny Pasitera Ramino Paul, Filohan’ny Raiamandreny Mijoro ny vokatry ny fivoriana niatahany tamin’ny CNOSC.

Nanambarany fa na dia nisy aza ny fikasana hanatanteraka ny fikaonandoham-pirenena ny 30 aogositra ho avy izao, dia voatery ahemotra ny 14 ka hatramin’ny 18 septambra izy io noho ny antony fandaminana. Ny 30 sy 31 aogositra ary ny 1 septambra kosa no hotanterahina ny fivoriana ara-teknika handrafetana ny fomba hitantanana ny fivoriana. Araka ny nanambarany ihany, dia nankinina tamin’ny Raiamandreny Mijoro ny fikarakarana ity fikaonandoham-pirenena ity, ka izy ireo no hamaritra ny daty hanatanterahana izany. Hanomboka anio kosa ny fifampidinihana handresen-dahatra ny rehetra mba samy handray anjara amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tetsy ankilany anefa ny raha nivory tao amin’ny lapan’Anosikely ireo mpikambana ao amin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, notarihin’i Patrick Mounibou, ny marainan’ny talata 24 aogositra dia nanapa-kevitra fa mitsipaka ankitsirano ny fanohizana ny famahana ny olana eto Madagasikara amin’ny alalan’ny fampiharana ny fifanarahana tany Maputo sy Addis Abeba, fa manohana kosa ny fehin-kevitra tapaka nandritra ny fivoriana teny Ivato tamin’ny 13 aogositra, ary nandraisan’ireo antoko politika misy eto amin’ny firenena anjara, ka natao sonia niaraka tamin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita. Manoloana izany dia tsy manaiky ny fihemoran’ny datin’ny fihaonambem-pirenena izay hotanterahina manomboka ny 30 aogositra ny Mpikambana FAT ary milaza ny tsy hanatrika ny fivoriana karakarain’ny CNOSC hotanterahina eny Vontovorona anio raha toa ka mbola endrika ankolafy (mouvance) no hoentina hanantanterahana azy. Ho an’ny FAT dia tokony ho ny daholobe mihitsy no hiara-handray anjara amin’ny dinika rehetra atao.

Mikasika ny Dinika Santatra dia fantatra fa nahatratra 75% ny tahan’ny fandraisan’anjara. Raha 18.700 ny mpandray anjara nandrasana tamin’io dinika io nanerana ny Nosy, dia 13.303 no tonga. Teo amin’ny vola dia nanome 960.443.480 Ar ny fitondram-panjakana tamin’ny 16 jona, nentina nikarakara io dinika io. Satria moa tsy ampy io vola io noho ny fandaniana tsy maintsy natao, dia nangataka indray tamin’ny fanjakana ny Vondrona mpikarakara ka nahazo 100 tapitrisa ar tamin’ny 26 jolay. Amin’izao fotoana izao, efa eo ampandrafetana ireo fehin-kevitra ny vaomiera natokana ho amin’izany, ka inoana fa amin’ny faran’ity herinandro ity no ho vita ny asa. Io no hoentina hodinihina any amin’ny fikaonandoham-pirenena.
 
Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT