Politique

Fikambanana Silamo Malagasy Miezaka mambabo fo ny mpitondra


  • Alakamisy 13 Aprily 2017

Amin’ny maha laïka ny Antenimierandoholona dia noraisin’ny filoha Rokotomanana Honoré tao amin’ny lapan’Anosikely, ny talata 11 aprily teo, ireo delegasiona avy amin’ny FSM na Fikambanana Silamo Malagasy notarihin’ny filohany Hassim Mohamed.

Fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fitondram-panjakana izay efa nisy hatramin’izay no votoantin-dresaka. Misandrahaka ny andraikitry ny Fikambanana Silamo Malagasy ankehitriny raha tsy hilaza afa-tsy ny sehatry ny fanabeazana sy ny fahasalamana ary ny sosialy izay irahan’izy ireo miasa amin’ny « ONG » maro sy ireo firenena arabo matanjaka manerana izao tontolo izao isika. Porofon’izany ny fisian’ireo sekoly sy hopitaly ho an’ny mpino silamo manerana ny nosy. Raha tsorina dia miezaka mambabo ny fo ny mpitondra Malagasy toa an’ity filohan’ny Antenimirandoholona ity ry zareo Silamo ankehitriny ary dia manambitamby amin’ny fanolorana ny boky masina korany amin’ny fitsidihana ataony. Zava-dehibe ny firaha-miasa amin’ny fikambanana, hoy ny filoha Rakotomanana Honoré, ary tena ilaina tokoa satria mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena izy ireo amin’ny izao asa sahaniny izao.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT