Politique

Fikambanana RCM Nanentana ny mponin’Antsirabe


  • Talata 02 Aogositra 2011


Nanao fitsidihina fanentanana ny mponina Antsirabe ny sabotsy 30 jolay 2011 teo ny «Vondron’ny Olom-pirenena Manohana ny Filoha Ravalomanana» na RCM (Rassemblement des Citoyens Malagasy) avy aty Antananarivo izay notarihin’ireo mpitarika nahitana ny Dr Rafanoharana Narisoa sy Rabe, ka tao amin’ny Fokontany Tsarasaotra-Antsirabe no nanaovany izany fihaonana izany. Tanjona ny fampahafantarana ity fikambanana ity izay manentana sy mampiomana ny olona eny ifotony izay tsy tonga eny an-kianja noho ny fivelomana sy ny antony maro samihafa kanefa kosa mbola manohana sy mitaky hatrany ny ara-dalàna ka tsy mankasitraka izao fitondrana misy izao.

Ankoatra izay, araka ny tafa nataon’ireo mpandrindra dia eo ihany koa ny fifanomezam-baovao ho an’ireo olona ireo satria dia iaraha-mahalala fa fitaka sy lainga fotsiny no mifafy amin’izao fotoana ka very tanteraka ny olona. Tanjona, hoy ireo mpitarika ny hampijoroana ny RCM eny anivon’ny Fokontany ka izay no nitsongana ireto olona novoriana ireto mba ho mpanentana any amin’ny Fokontaniny hanaitaitra ny olona satria tsy ho ela ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana. Fantatra fa efa maro ny faritra notetezin’ireto mpitarika ireto toy ny tany Manjakandriana sy Moramanga, ankoatra ireo Distrika manodidina an’Antananarivo ary mbola hitohy izany fitsidihina izany. Ny tolakandron’ny sabotsy moa dia nanatevina ny hetsiky ny zanak’i Dada tao amin’ny Magro Avaratsena ny RCM.

 

Caïus R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT