Politique

Fikambanana Otrikafo “Hajao ny hevitry ny vahoaka !”


  • Alatsinainy 13 Septambra 2010

Handray anjara amin’ny fihaonambem-pirenena manomboka anio eny Ivato, na dia tsy resy lahatra firy amin’ny hivoahan’ny vahaolana mahomby, hamahana ny krizy avy amin’izany aza ny fikambanana Otrikafo.

Ao anatin’ny fananganana fanjakana sy rafi-piarahamonina vaovao mihitsy isika amin’izao fotoana izao, koa rariny loatra, raha mitondra ny anjara birikiny sy ny heviny amin’ny fanatanterahana izany ny Otrikafo, hoy ny filohany Atoa Andrianjaka Rajaonah. Mandinika sy mamakafaka ny fiainam-pirenena ity fikambanana ity, ary mampahafantatra ny heviny hivoahana amin’ireo karazan’olana mety mitranga. Izany dia ao anatin’ny fanajana tanteraka ny soatoavina malagasy sy ny fanandratana avo ny fiandrianam-pirenena. Efa hatramin’ny fitondran’i Marc Ravalomanana no naneho ny tsy fankasitrahany ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ny fiankianan-dohan’ny toekarena malagasy be loatra amin’ireto farany ny Otrikafo, nanomboka tamin’ny herintaona moa dia tena nitsipaka marindrano ny hidiran’ny vahiny amin’ny famahana ny krizy ry zareo.

Raha ny fomba hoenti-mamaha ny krizy kosa dia tokony hiainga any amin’ny fototra izy io, dia ny vahoaka izany, araka ny fahitan’ny Otrikafo azy. Tsy mety amin’izy ireo ny dinika miainga fotsiny amin’ny resaka antoko politika, na ankolafy, fa tokony ho miainga amin’ny fokonolona ny adihevitra. Izany hoe ny «approche vahoaka» no hitan’ny fikambanana Otrikafo fa hahazoana toky fa hivoahan’ny vahaolana mahomby sy maharitra amin’izao krizy izao. Hitondra io soso-kevitra io mandritra ny fihaonambem-pirenena ity fikambanana ity, ary hamosaka ireo hevitra hafa rehetra noeritreretiny fa hahasoa ity tanindrazana iombonana ity. Hanolotra soso-kevitra no anton-dianay any, fa tsy hiady seza, hoy i Andrianjaka Rajaonah, namarana any fanazavany.  

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT