Politique

Fikambanana MMV: Mamboly olana hijanona ela amin’ny fitondrana ny FAT


  • Zoma 07 Mey 2010


Fikambanana maro no tsy resy lahatra amin’ny vahaolana “Plan B” ketrehin’i Andry Rajoelina hotontosaina. Ho an’ny Malagasy Mitsimbina Vahoaka na ny MMV dia tsy vahaolana ny fanovana ny governemanta amin’ny alalan’ny fampandraisana anjara ny miaramila. “Tsy ratsy akory ilay hevitra hametraka governemanta iarahan’ny sivily sy miaramila fa ny fototra ijoroan’ny tetezamita mihitsy no tsy mazava ka tsy ahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena”, hoy ny Dr Zodaly Noel, filohan’ny MMV. Ny fananganana governemanta sivily iarahana sy eken’ny rehetra ary ahitana ny solontenan’ny ankolafy rehetra no tokony himasoana raha ny hevitry ny fikambanana. “Hidiana anaty trano na hotely iray ireo ankolafy izay samy manendry solontena fito ka tsy avela hivoaka izy ireo raha tsy mahita marimaritra iraisana. Tsy miditra ao anatin’io governemanta io anefa ny miaramila fa anjarany kosa no manery kosa ireo ankolafy ireo. “Ankoatra ny ankolafy efatra dia tokony hanana solontena amin’io fivoriana io ny mpanaraka an’i Monja Roindefo, Pierrot Rajaonarivelo, ny HPM. Tsy nitsitsy fitenenana moa ny Dr Zodaly raha namboraka ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nambarany fa tsy mihevitra ny hikatsaka vahaolana mihitsy ny Fat fa miezaka mamboly olana hatrany mba hijanona ela amin’ny fitondrana.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT