Politique

Fikambanana Mientana ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara Miantso ny vahoaka handrotsaka ny vato TSIA


  • Alakamisy 11 Novambra 2010


Fanambarana miezinezina izay miantso ny vahoaka mba handrotsaka ny vato TSIA amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka hotontosaina ny 17 Novambra ho avy izao no nataon’ny fikambanana MDM na ny Mientana ho an’ny demokrasia eto Madagasikara tetsy amin’ny Mon gouter Andrefan’Ambohijanahary omaly alarobia. Noho ny fizirizin’ny FAT amin’ny heviny izay zary lasa didy jadona no nahatonga ity fikambanana ity handray ny fanapahan-kevitra taorian’ny antso avo nataon’ny fikambanana fa tsy misy afa-tsy ny fanohizana amin’ny fiaraha-midinika isan-tsokajiny ihany no hany vahaolana tokana hivoahan’ny firenena amin’ny krizy. Tsiahivina fa efa hatreny am-piandohana no nanohitra ity  fitsapan-kevi-bahoaka kasaina hotontosaina amin’ny heriny omaly ity,  ny MDM. Maro tsy tambo isaina no anton’izany toy ny tsy fahampian’ny fotoana hampahafantarana sy hanazavana amin’ny olom-pirenena ny votoatin’ny lalampanorenana, ny tsy fisian’ny rafitra afaka miantoka ny fahadiovana sy ny fangaraharahan’ny fifidianana izay mbola miankina amin’ny rantsa-mangaikam-panjakana ihany…Marihina fa manentana ny olom-pirenena rehetra mba hifidy ny MDM saingy handrotsaka ny vato TSIA kosa. Ao anatin’izany anefa dia miantso ny fikambanana rehetra mitovy fomba fijery aminy sy ny mpikambana MDM manerana ny Nosy ity fikambanana ity mba hiara-hisalahy amin’ny fanaraha-maso akaiky ny fizotry ny fifidianana amin’ny lafiny rehetra.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT