Politique

Fikambanana manohana ny ara-dalŕna Manohitra ny fanonganam-panjakana


  • Talata 13 Septambra 2016

Taorian’ny vaovao niely ny amin’ny mety hisian’ny hetsika hitaomana ny vahoaka hidina an-dalambe hanoherana ny fanjakana mijoro amin’izao dia nivoaka tamin’ny fahanginana ny fikambanana Manohana ny ara-dalana tarihin-dRaveloson Constant.

Nambaran-dRalainirina Marcel mpitondra tenin’izy ireo fa manohitra amin’ny heriny tanteraka ny fanonganam-panjakana izy ireo. Ekena fa tsy manohana izao fitondrana izao izahay ary tsy manana seza hotohanana ihany koa saingy ny fanonganam-panjakana no namotika ny fiainan’ny Malagasy tahaka izao vokatry ny fandrebirebena nataon’ny filohan’ny tetezamita ny vahoaka tamin’ny fivarotana vary mora sy menaka mora nefa ny fananan’ny filoha Ravalomanana ihany no nanatanterahany izany, hoy izy. Ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009  no nampahantra ny vahoaka tahaka izao. Tsy tokony hovolena any anatin’ny taranaka faramandimby ilay kolontsaina manongam-panjakana fa tena manimba. Nanambara moa Ralainirina Marcel fa efa tafapetraka any Toamasina ny fikambanana ezahina haparitaka manerana ny fokontany eto an-drenivohitra.

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT