Politique

Fikambanana GTDH Miantso ny FAT hanaja ny zon’olombelona


  • Talata 09 Aogositra 2011

Miha nahazo vahana ny fanosena ny zon’olombelona ankehitriny, indrindra ao anatin’izao krizy izao.

 Raha tsiahivina dia nanameloka ny FAT tamin’ny alalan’ny fanambarana ny fitondrana amerikanina izay nilaza fa manana porofo amin’izany. Etsy andaniny dia tsikaritra eny anivon’ny fiarahamonina koa ny tsy fanajana ny zon’olombelona ka anisan’ny mateti-pitranga ny fanolanana mahazo ny ankizy, ny fampiasana zaza tsy ampy taona ary ny fanondranana mpiasa an-tsokosoko any ivelany. Ao koa ny tsy fahazoan’ny Malagasy maro mahazo ireo zo fototra toy ny sakafo ara-dalàna sy fiainana milamina ary ny fahazoana fanabeazana sy fahasalamana araka ny tokony ho izy. Manoloana ireo tranga mamoehatra ireo dia manao antso avy amin’ny fitondrana izay tomponandraikitra voalohany eto amin’ny firenena mba hampihatra ny lalàna mifehy ny zon’olombelona ny fikambanana GTDH (Groupe de Travail sur les Droits de l’Homme). Mitaky ny famaritana politika mazava mba hamongorana hatramin’ny fakany ny fanitsakitsahina ny zon’olombelona eto Madagasikara koa ity vondrona ity. Efa tamin’ny taona 1996 no niforona ity fikambanana ity saingy tsy dia maneho hevitra matetika loatra izy ireo.

 

Yves

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT