Politique

Fikambanana Grand-Tana Voafidy ho filoha i Lalao Ravalomanana


  • Talata 08 Novambra 2016

Nivory voalohany omaly tolakandro tetsy amin’ny lapan’ny tanàna Analakely ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna eto Antananarivo sy ny manodidina.

 

 Tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’Avaradrano, Atsimondrano ary Ambohidratrimo. Izy ity moa ilay antsoina hoe Grand-Tana. Voafidy ho filoha mitarika ny fikambanana Rtoa Lalao Ravalomanana ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, izy rahateo no nanana fandaharanasa fanohanana sy fiaraha-miasa amin’ireo kaominina manodidina ny renivohitra ary efa nisy ny asa natomboka tamin’izany. Niaiky ny rehetra fa tsy misy mahavita tena irery fa tsy maintsy mifanohana. Mila an’ireo kaominina manodidina amin’ny famatsiana azy ara-tsakafo Antananarivo Renivohitra. Mila ny traikefa ananan’ny mpitantana ny renivohitra koa anefa ireo ben’ny tanàna hafa ireo amin’ny fikarohana mpiara-miasa sy mpamatsy vola, ohatra. Hiaraka hiainga hampandroso an’Antananarivo moa no tanjon’ity fikambanana ity; araka ny fanazavan-kevitra omaly teny amin’ny lapan’ny tanàna.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT