Politique

Fikambanana FITEVA Nahavory firehana samihafa


  • Alatsinainy 10 Aprily 2017

Azo ambara fa tontosa ny fanambin’ny fikambanana FITEVA na Fikambanana Ifanampian’ny TErak’i VAkinankaratra sampana

Antananarivo Renivohitra notarihan’ny filohany Randriamanantsoa Lalajaona tamin’ny nanatontosany ny hetsika « Fihaonambe Fiteva 2017 » izay notontosainy tetsy amin’ny ANS Ampefiloha ny sabotsy 8 aprily teo. Ankoatra ireo mpikambana avy ao amin’ity sampana ity mantsy dia saika tazana tao avokoa ny ankolafin-kerim-pikambanana sy politika misy avy amin’ity Faritra ity ka nahitana ny filohan’ny Antenimierandoholona, Honoré Rakotomanana, izay filoham-boninahitry ny fikambanana nitendry zavamaneno nanentana ny rehetra tamin’ny « Mifankatiava ihany ». Dia izay fifankatiavana izay sy ny fampandrosoana ny faritra mba hotahafin’ny Faritra hafa rehetra no noventesiny tamin’io andro io mba handrosoan’i Madagasikara  dia horesentsika ny fahantrana, hoy  izy.  Nisy moa, araka ny efa voalazan’ny fandaharam-potoana, ny fizarana sakafom-pihavanana sy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be tao amin’ny fikambanana. Ny fanomanana ny faha-60 taonan’ny fikambanana kosa no notsindrian’ny filoha nasionaly Ratovo Abel Henri mafy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

  • Lisi-pifidianana
  • Talata 03 Novambra 2026

Azo ampiasaina

  • Vovonana
  • Talata 03 Novambra 2026

‘Lay FAR

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

Hijery ny tohiny
FTT