Efa tena mahavalalanina ny maro ny toe-draharaha sy ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Raha natao fitaovana politika sy natao tohatra tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009 no nahalalana ny Fikambanana AV7 dia any amin’ny fiarovana izao fitondrana izao indray no toerana nametrahana azy. Efa nomena lelavola mitentina 200 000Ar isam-bolana izy ireo nanomboka ny taona 2009 fotoana nisian’ny fanonganam-panjakana mba ho tambin’ny fanampiany ireo mpanao politika nanapotika firenena tamin’izany fotoana. Izao indray dia hatao fitaovana ho mpiaro mahatoky ny fitondrana HVM noho ny tsy fananan’ny fanjakana mpanohana intsony ka zarany aza misy ity fikambanana ity hatao fitaovana politika hiarovan-tseza indray. Ho tambin’ny fanohanana izao fanjakana izao dia hampidirina ho mpiasam-panjakana avokoa ireo mpikambana rehetra. Miisa 219 ireo mpikambana ka ny 217 amin’ireo no ho mpiasam-panjakana raha toa ka efa tafiditra ao ny mpikambana miisa 2, hoy Atoa Bona Jean Pierre, Filohan’ity fikambanana zary ataon’ny mpano politika fitaovana ity.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.