Politique

Fikambanana AV7 Hamaky bantsilana ny tsy rariny sa hisolelaka amin’ny FAT ?


  • Zoma 22 Jolay 2011

Hiantso ny mpampahalala vaovao ka hilaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena, sy ireo raharaha mafampana tahaka ny trafikana andramena amin’ity anio ity eny amin’ny tranompokonolona Analakely ny fikambanan AV7 na ireo niharam-boina tamin’ny 7 febroary 2009.

 Maro ny zavatra tokony hambara manoloana izao zava-mitranga etsy sy eroa izao, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra avy amin’ity fikambanana ity izay manohana tanteraka ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina ary tsy manaiky ny fizarana ny fahefana amin’ireo ankolafy hafa. Samy mbola mamisavisa ny rehetra amin’izao fotoana hoe : inona ary no hotantarain’ny AV7 manoloana ny halatra bevava sy fandripahana ny harem-pirenena nandritra izao fitondrana tetezamita izao ? Mbola hanilika ny rihatra any amin’i Marc Ravalomanana ihany ve sa mba hanaitra ny sain’ny FAT amin’izay fa efa tena tsy rariny intsony ny ataon’ireo manampahefana sy mpandraharaha akaikin’ny fitondrana sasany amin’izao fotoana ? Re mantsy fa maro ihany no tsy faly ao anatin’ity fikambanana ity noho ny hafetsifetsena ara-politika ataon’ireo mpitantana.

Matetika moa dia ny resaka fanampiana ara-bola no mampiady, eo ihany koa ny voninahitra sy ny toerana. Efa nitranga tao amin’ny AV7 izany ka nitarika hatrany amin’ny fanoloana ny filohany. Miaro ny vahoaka niharan’ny tsy rariny sy nitondra takaitra noho ny tolona nitranga tamin’ny 2009 no antom-pisian’ny AV7, ka ho hita eo na mbola hanohy izany andraikiny izany izy na hipasoka ny efa malama ka hiaro be fahatany izao fitondrana tetezamita efa mampikaikaika ny olon-drehetra izao.
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT