Politique

Fikambanana Atrika “Marary ny Malagasy ka mila fitsaboana haingana”


  • Alatsinainy 02 Aogositra 2010

Ady aman’aina no atrehantsika Malagasy amin’izao fotoana izao, hoy ny fikambanana Atrika. Toa very fanahy mbola velona, tsy hita izay fomba hamahana ny olana mampikatso ny raharaham-pirenena izay miantraika any amin’ny fiainan’ny isambatan’olona.

Mampanontany tena hoe : “olom-boaozona ve isika Malagasy ka mijinja ny afafin’ireo mpitondra hatramin’izay ka mandrak’ankehitriny ?”, hoy ny fikambanana. Maninona moa, hoy izy ireo raha hilaozana amin’izay ny fifandrafiana eo amin’ny samy mpitondra teo aloha sy ankehitriny ka havalon’ny 50 taonan’ny fahaleovantena lasa fa ho rivotra vaovao indray no hiatrehana ny ho avy. Hiverina amin’ny soatoavina Malagasy isika ary hamerina ny hasin’ity Tanindrazana iombonana ity ao anatin’ny fahendrena, ny fanetren-tena ary ny fifampihavanana.

Anjara biriky entin’ny fikambanana Atrika mamaha ny olana ka hiverenan’ny fankatoavana iraisam-pirenena “ny hananganana fitondrana tetezamita tsy misy mpanao politika fa teknisianina manana traikefa no mitondra ny firenena. Ny governemanta tetezamita vaovao izay atsangana no hikarakara sy hamolavola ny lalàmpanorenana hitondrana ny firenena. Izy ihany koa no hanatanteraka ny fifidianana Filoham-pirenena. Ny mpanao politika kosa etsy ankilany dia manomana ny filatsahany hofidiana amin’ny Repoblika faha-4 mandritra ny fotoana tetezamita. Ho mangarahara tsy miandany amin’ny atsy na aroa ny fitondrana tetezamita izay antoky ny fahadiovan’ny fifidianana hatao”.
 
Ny Pr Raymond Ranjeva moa no heverin’ny fikambanana Atrika hamaly ny filan’ny firenena ankehitriny, noho ny traikefa ananany. Araka ny fantatra dia herintaona izao no nitodihan’ny Pr Raymond Ranjeva an-tanindrazana. Nangina izy nandritra izay fotoana izay fa tsy te-hanembatsembana ny fandaminana ny raharaha teto. Tsy te hijery fotsiny izao zava-misy izao anefa izy. Nisy fotoana nanehoany hevitra an-gazety sy tamin’ny haino aman-jery, mikasika ny krizy eto Madagasikara tsy teto an-toerana ihany fa teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nambarany tamin’izay fa vonona hitondra ny tetezamita izy ary tsy ho anisan’ny kandida ho Filoham-pirenena amin’ny Repoblika fahefatra.
 
Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

  • Vonison Andrianjato
  • Talata 28 Aprily 2026

«Fifandimbiasana ara-jeografika sy

  • KOHEN RIVOLALA
  • Talata 28 Aprily 2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

  • Maminirina Miharisoa
  • Talata 28 Aprily 2026

na Tonton Mamy

  • olon-dRajoelina
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

"Miezaka mampisara-bazana ny mpitolona"

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

Hijery ny tohiny
FTT