Mbola misy eto amintsika ny fanandevozana saingy miseho amin’ny endrika samihafa, hoy ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Za Malagasy manohitra ny fanandevozana,
raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina omaly. Ahitana izany, ohatra, ny toeram-piasana maro izay sahy mandika tsotra izao ireo fifanarahana (contrat) nifanaovany tamin’ireo mpiasa. Raha hitatitra mpianatra no nifanarahana dia lasa miitatra hatrany amina fitaterana mpiasa ilay izy na koa hoe fitondrana fiara vaventy. Noho ny fisian’ny toe-javatra tahaka izany indrindra dia hanatanteraka fampahafantarana ny momba ny zo maha olona eny ifotony ity fikambanana ity sady hanentana amin’ny fanatonana ireo tompon’andraiki-panjakana ihany raha sendra misy endrika fanandevozana mihatra amin’izy ireo.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.