Politique

Fikambanan’ny Ben’ny tanŕna “Hatramin’ny sabotsy izao no faran’ny FAT”


  • Zoma 19 Novambra 2010

Tsy misy heviny sady toy ny tsy nisy ny fitsapan-kevi-bahoaka notontsosain’ny FAT ny alarobia 17 novambra teo raha ny fanambaran’ny AMA na ny Fikambanan’ny Ben’ny tanŕna eto Madagasikara.

Amin’izy ireo dia vao mainka hamboly krizy vaovao ny fanatontosana iny fifidianana «tandrametaka sy kitoatoa» iny. «Sambany no nisy teto amintsika izany fahafaha-mandatsa-bato amin’ny alalan’ny kara-pokontany izany», hoy Ralaiseheno Guy Maxime, filohan’ny AMA. Ho an’ity fikambanana ity dia ny fametrahana ny fitondrana tetezamita tena izy sy tsy mitanila ihany no vahaolana amin’izao krizy lalina izao ka takiany ny fihaonana an-databatra boribory eo amin’ireo filoha telo lahy sy ny filohan’ny FAT. Araka izany dia mitaky ny fiverenan’ireo filoha roa lahy sesitany dia Didier Ratsiraka sy Ravalomanana Marc an-tanindrazana ny AMA. «Sady olana no vahaolan’ny firenena izy efatra mirahalahy mianaka ireo ka izay no antony tokony hiverenany midinika eto an-tanindrazana mba hananganana ny fanjakana marin-toerana, manaja ny demokrasia ary hirosoana ihany koa amin’ny fampihavanam-pirenena tena izy», hoy Randrianandrasana Pascal, filoha lefitry ny fikambanan’ny ben’ny tanàna faritra Menabe.

Efa manana vahaolana hafa koa anefa ny AMA raha tsy tontosa io tolokeviny io noho ny fizirizirian’ny FAT. «Izahay Ben’ny tanàna sisa no rafitra ara-dalàna eto amin’ny firenena ka izahay ampian’ny vahoaka Malagasy no hametraka amin’ny toerana ny filoha izay mahafeno ny fepetran’ny tsy fitanilana raha mitohy io fiziriziriana io», hoy Ralaiseheno Guy Maxime. Hatramin’ny rahampitso sabotsy moa no fe-potoana omen’ ireto Ben’ny tanàna ireto ny FAT amin’izany. Tsy nety nanome fanazavana momba ilay olom-pirenena harosony eo amin’ny toeran’ny filoha kosa anefa izy ireo. Nohazavain’ny filohan’ny AMA koa fa tsy misy ifandraisany amin’ny fikasana fandraisana fahefana ataon’ny miaramila ny hetsika ataon’izy ireo saingy ny itovizany dia ny fikatsahana ny fampihavanam-pirenena amin’ny alalan’ny fifamelana faobe. 

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT