Politique

Fikambanan’ny Ben’ny tanŕna eto Madagasikara Hiatrika ny kongresy nasionaly


  • Alarobia 10 Novambra 2010

Hisokatra rahampitso alakamisy 11 Novambra ary haharitra roa andro eny amin’ny Espace Salohy Andoharanofotsy ny kongresy nasionalin’ny Ben’ny tanŕna manerana ny Nosy, tarihin-dRalaiseheno Guy Maxime, Ben’ny tanŕnan’Ankaraobato.

Ankoatra ny fijerena ny fiainan’ny fikambanana izay marihina fa vao tafatsangana iray volana lasa izay dia hisy ihany koa ny famoahana vahaolana mikasika ny olana ara-pitantana miseho matetika eto amintsika. Anisan’izany ny Ben’ny tanàna. Taorian’ny fitsidiham-paritra nataon’ity filohan’ny fikambanana ity mantsy dia nahatsapa ny tenany fa zary olana miverimberina eto amintsika ny olana ara-pitantana ka ilana vahaolana maharitra. Manana andraikitra goavana amin’izany izahay Ben’ny tanàna hoy izy amin’ny maha-olom-pirenena sy olom-boafidy fototra anay. Hisy ihany koa ankoatra ireo voalaza ireo ny dinika mikasika ny fitsapan-kevi-bahoaka izay kasain’ny fitondrana FAT hotanterahina ny 17 Novambra ho avy io sy ny fifidianana Ben’ny tanàna hotontosaina telo andro aorian’izany izay marihina fa efa nametrahan’ny filohan’ny fikambanana fitoriana teo anivon’ny filankevim-panjakana ny 02 Novambra lasa teo hanafoanana ireo didy hitsivolana sy didim-pitondrana mikasika izany satria tsy ara-dalàna. Hisy ny fanaovana tatitra mikasika ny zava-bitan’ny fikambanana aorian’ireo rehetra ireo. Tsy latsa-danja amin’izany ny fijerena vahaolana maharitra hivoahan’ny firenena amin’ny krizy rehefa tsy handray ny andraikiny ny fitondram-panjakana. 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT