Politique

Fihetsiketsehana tao Toliara Atao hazalambo ireo mpitarika


  • Talata 05 Oktobra 2010

Karohina mafy ireo nitarika olona nidina an-dalambe tao Toliara ny sabotsy 02 oktobra teo, andro nisokafan’ny fampielezan-kevitra momba ny fitsapan-kevi-bahoaka.

Araka ny fantatra dia telo izy ireo no atao hazalambo, anisan’izany i Tonton Mahafinaritse Relimbe na i Tonton, Sefo Fokontany ao Besasavy. Efa nanaovan’ny mpitandro filaminana be midina tao an-tranon’i Tonton saika hisambotra azy nefa nisakana ny Fokonolona ka tsy tanteraka izany. Marihina fa ny 90%-n’ny Sefo Fokontany ao Toliara dia Tiako I Madagasikara avokoa, ka anisan’izany ity mpitarika mafana fo ity. Nanambara i Tonton Mahafinaritse Relimby fa tsy mpangalatra izy ka hosamborina toy izao.

Filaharambe nanodidina ny tanàna mitaky ny hamoahana tsy misy fepetra ireo fito mianaka, dia Rabeony Mandridake, Sazalahy Tsianihy, Tambabelo Mandaso dit Marin, Torimana Evaharane, Rafilo Jean Filista, Lantera Patita ary Bonnaure Sazalahy, nampidirina am-ponja vonjimaika voarohirohy ho nanimba ny radio Soatalily no niandohan’ity raharaha ity. Raikitra ity ny hazalambo atao ireo mpitarika. Tsy mbola nisy tratra aloha izy ireo hatramin’ny fotoana nanoratana. Mafanafana ny tanàna, araka izany.
 
Esoafiavy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT