Notontosaina omaly tetsy amin’ny Arrupe Faravohitra ny Fikaonandohan’ireo lohandohan’ny mpanohitra na Forum des leaders de l’opposition.
Saika solontena avokoa no tonga namaly ny antso. Araka ny nambaran’ny mpanao politika Alain Andriamiseza dia tsy misy mpitarika voafaritra fa ny zava-dehibe dia nahatonga solontena avokoa ireo antoko heverina ho matanjaka rehetra, toy ny Freedom sy ny MMM ary ny antoko Maitso. Tsy mbola nantsoina kosa ny antokon’ny mpitondra teo aloha mba tsy hampitongilana ny adihevitra fa ho avy ihany ny fotoana hiantsoana azy ireo. Tsy mazava ny tena paikady sy ny tena tiana ahatongavan’ireto antoko ireto fa ny niverimberina matetika dia ny fandravana ny fitondrana mijoro hatrany. Ho an-dry zareo avy eo anivon’ny antoko FMDD tarihin’ny filohany Michel Rafanomezantsoa manokana dia ny fanohanana ny tolon’ny sendikan’ny mpitsara no tanjona. Ho an’ny antoko Vahoaka miray kosa dia ny fitadiavana ny olona afaka hamoaka ao anatin’ny fahasahiranana sy ny krizy izao no maika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.