Politique

Fihaonana tao Anosikely Valy boraingina no niafarany


  • Alakamisy 30 Jona 2011

Tsy milamina ny tany. Niloa-bava ary miaiky izany ireo mpitondra ao amin’ny Fahefana avon’ny tetezamita, raha ny zava-nitranga omaly tolakandro tao Anosikely nandritra ny fifanatrehana mivantana teo amin’ny Governemanta sy ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) nangataham-panazavana mikasika ireo raharaha manahirana eto amin’ny firenena sy ny fifandraisan’ny andrim-panjakana.

 106 ny fanotaniana napetraka tamin’ny Governemanta Camille Vital, 44 tamin’ireo ihany anefa no voavaly, dia nofaranana ny fotoana fa maizina ny andro. Eo ihany koa ny “tsy fandriampahalemana”, araka ny fanamarihana nataon’ny jeneraly Dolin Rasolosoa, filohan’ny CST. Valy boraingina no niafarany na dia nisy aza, toa an-dry Ramasy Adolphe, ao amin’ny Escopole, naniry ny hanohizana hatramin’ny farany ny fifandaharana. Ny lalàmpanorenana no manondro ny anaovana io fihaonana mivantana io, nefa raha ny fahitana azy tetsy Anosikely dia alasafay fotsiny. Manamarina izany, minisitra folo no hany niatrika ity fotoana ity, niaraka tamin’i Camille Vital.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Pastera Heritiana
  • Talata 06 Oktobra 2026

_Fampandrosoana an’i Madagasikara

  • FAMPIHAVANANA POLITIKA
  • Talata 06 Oktobra 2026

Tsy tokony atao fitaovana

  • Fikaonandoham-pirenena
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Ny Mpitandrina Barinarivo

  • PM Mamitiana Rajaonarison
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Vahaolana ara-tsosialy maro no

  • FANAVAOZANA NY REPOBLIKA
  • Alatsinainy 05 Oktobra 2026

Politika mampandroso no

  • 14 oktobra
  • Zoma 02 Oktobra 2026

Fetim-pirenena ho an'ny Fahafahana

Hijery ny tohiny
FTT