Politique

Fihaonana Ravalomanana- Rajoelina : tsy mbola ofisialy


  • Alatsinainy 19 Aprily 2010


Mandeha be ny resaka tato ato fa hisy ny fihaonana eo amin’ny filoha Ravalomanana sy ny filohan’ny FAT Andry Rajoelina, atsy Afrika Atsimo. Hatreto anefa, araka ny vaovao avy amin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy mbola nisy iraka na olona nirahin’ny ankolafy Rajoelina hilaza izany tamim-pomba ofisialy momba ny fihaonana kasainy hatao any Afrika Atsimo. Hatramin’izao, araka ny fanazavan’ny mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana dia tsy mbola nisy fifandraisana ofisialy. Manamafy moa ny ankolafy Ravalomanana, araka ny vaovao nampitain’i Guy Rivo Randrianarisoa fa tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ao anatin’ny firahalahiana sy ny fanajana ny soatoavina Malagasy ny firehana Ravalomanana. Manantitra ihany koa izy ireo fa tsy avy aminy velively ny hampirisika olona hiditra amin’ny herisetra fa ny soa ho an’ny Malagasy no katsahiny.  

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT