Politique

Fihaonana politika sesilany Kotozafy ihany no Leksisy e !


  • Zoma 05 Aogositra 2011

Ny andro sy ny volana no miova fa mitoetra kosa ny fomba fanaon’ny FAT.

 Mba hilazana any aoriana fa tsy fanapahan-kevitr’olon-tokana no nisafidianana ny fifidianana atao mialoha dia niantso ny mpanao politika i Andry Rajoelina nandritra ny roa andro, hidinika sy hanapa-kevitra. Rehefa nojerena ireo vondrona sy ankolafy nandray anjara tamin’izany dia ny mpanohana izao tetezamita izao no maro an’isa, izany hoe ireo mitovy hevitra amin’i Andry Rajoelina, ka na nisy fotoana nafampana tokoa aza ny adihevitra dia tsy misy ny zava-baovao, fa dia tanteraka ilay fitenenana hoe : “Kotozafy ihany no Leksisy”, sarintsarina fihaonana no natao hanapena-maso ny olon-tsotra tsy dia maharaka firy ny sangodim-panina politika.

Efa natao teto ny karazana dinika, ary nilokaloka ny fitondrana tetezamita fa naka ny hevitry ny vahoaka malagasy tamin’ny alalan’ny fihaonambem-paritra sy fihaonambem-pirenena, efa nisy koa ny fifampiresahana tamin’ny mpanao politika teny Iavoloha. Koa nahoana no mbola maka hevitra indray ny filohan’ny FAT ? Fandanian’andro sy volam-bahoaka fosiny ve izany ny natao rehetra teo aloha ? Ary raha misy vondrona politika maromaro indray ary mitaky hoe fifidianana sefo Fokontany alefa mialoha, dia asiana fihaonana iray hafa indray ve ? Tena mampalahelo sady mahamenatra ny tsy fahamatorana ara-politikan’ny mpitondra tetezamita amin’izao fotoana, hoy ny mpandinika fiarahamonina iray, sary ampy hitsarana azy ireo izany.

Na ahoana na ahoana ambara dia tsy afaka miteny intsony ny FAT fa sakana amin’ny famahana ny krizy ny Ankolafy 3, izay mivory milamina, tsy midina an-dalambe na manao hetsika goavana ahitana olona an’aliny isaky ny faran’ny herinandro no tsy mahazo anjara fitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana, manampy izay dia efa maromaro ihany ireo mpitarika teny amin’ny Magro no namadika palitao ka manompo ny FAT amin’izao fotoana. Ireo filohana Ankolafy roa dia Atoa isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana dia tsy eto Madagasikara, izany hoe mbola voafetra ihany ny hery sy tanjaky ny mpanohitra. Koa nahoana ary no tsy mety mandroso ny sambo fa mihodinkodina an-toerana fotsiny ? Ny mpanohitra marina ve no vato misakana, sa ny mpitondra ao amin’ny FAT mihitsy no tsy mahavita azy ?

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT