Politique

Fihaonana eny Iavoloha Tsy handray anjara ny antokon’i Tonton Ambroise


  • Zoma 06 Aogositra 2010

Tsy hamaly ny antson’i Andry Rajoelina amin’ny fivorian’ny antoko politika hatao eny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha anio zoma 06 aogositra ny antoko «Front Républicain et Démocrate Légaliste (FRDL)» tarihin-dRavonison Ambroise sady mpitarika ny «Mouvance Légaliste» rahateo.

Ho azy, raha misy ny fihaonana hatao dia tokony ho toerana tsy miankina no hisian’izany ka ny «Sehatra ifanakalozan'ny mpanao politika» no mamaritra azy ary mandray anjara avokoa ny lehiben’antoko rehetra, tsy ankanavaka, fa tsy toy ity hiseho ity. Raharaham-pirenena no resaka ary tombontsoan’ny Malagasy tsivakivolo no katsahina, ka tsy azo atao kilalao. Amin’ny toy izao mihitsy aza ny mpanao politika malagasy no tokony haneho fahamendrehana sy fahamatorana manoloana ny Vahoaka sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Noho izany indrindra dia nametraka fepetra ny FRDL mba hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny mpanao politika malagasy amin’ny fikatsahana vahaolana marina hivoahana amin’ny krizy, ampitoniana fa tsy irotorotoana.

Manoloana ny fanambarana nataon’i Andry Rajoelina farany ireny, dia mila mandray anjara amin’io sehatra ifanakalozan’ny mpanao politika io ireo filohan’ny ankolafy isany Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana ary Rajoelina, ary tokony hanohana ny fanatanterahana izany ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Zava-dehibe ny finiavana hikatsaka vahaolana hivoahana amin’ny krizy eo amin’ny samy Malagasy, hoy i Tonton Ambroise saingy mahatsapa izy fa mbola maro ireo antoko tsy ao anatin’io sehatra io, koa tokony horesena lahatra izy ireo ary homena fotoana hieritreretany hialana amin’ny fanavakavahana na fanilikilihana ny hafa, fa ho soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra, ka amin’izay dia mora ny hahazoana ny fankatoavana sy ny fanampiana avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny taratasy niainga avy any Thionville (Frantsa) ny 4 aogositra 2010. 

Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT