Azo ambara fa vokatry ny fangatahanay Kimbangista eto Madagasikara tarihako no mahatonga izao fampihaonana an’i Marc Ravalomanana sy Andrinirina Rajoelina any Dar Es Salaam renivohitr’i Tanzania ataon’ny SADC izao, hoy ny Rév. Ndriamanampy Satrobory, ka mahavelom-bolo tanteraka.
Na dia nanenjehana anay ombieny ombieny aza ny nanoloranay taratasy mitovy ho azy mianaka ireo sy ireo raiamandreny am-panahy filohan’ny Fjkm sy mpitondra tenin’ny fiangonana EKAR sy ho an’ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto amintsika ary ireo mpikambana amin’ny andrim-panjakana rehetra dia voaporofo izao, hoy Rév. Andrianalijohn fa tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena miainga amin’ny fifandraisan-tanan’izay mianaka fototry ny olana eto amintsika no vahaolana hahazoana miroso mankany amin’ny fifidianana katsahin’ny rehetra ankehitriny. Tsy ho tombontsoan’iza n’iza ny miziriziry tsy hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena, hoy ny Rév. Satrobory, ka tokony hatolotra mazava ny Pr Zafy Albert, raiamandreny havanana amin’izany ny fitarihana azy fa vonona ny hanampy azy ny tenanay.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.