Politique

Fihaonana any Paris Horesahana ny “ni…ni…” amin’ny 2018 ?


  • Alarobia 28 Jona 2017

Mbola baraingo amin’ny rehetra aloha ny resaka hivoitra ao anatin’ny fihaonan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron sy ny filoha Malagasy

 

 Hery Rajaonarimampianina any Parisy anio 28 jona amin'ny 3 ora hariva ora any an-toerana (amin'ny 4 ora hariva ora aty Madagasikara). Ny re fotsiny omaly dia hoe : hisy resaka politika avo lenta, mazava ho azy ho voaresaka koa ny fiaraha-miasa ara-toekarena eo amin’ny roa tonta. Tsy tongatonga ho azy anefa izao fampiantsoana ny filoha Malagasy izao, fa tsy maintsy misy ny zavatra goavana ao ambadik’izany, toy ny firesahana ny fifidianana ho avy manaraka, ohatra. Zava-nisy hatrizay teto amin’ny firenena rahateo ny fisian’ny dian-tanan’ny Frantsay eo amin’ny tontolo politika. Raha ny tsilian-tsofina mandeha amin’izao fotoana dia horesahina any Paris ny mety hanerena an’i Hery Rajaonarimampianina tsy ho kandida intsony amin’ny taona 2018, mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Ny resaka “ni…ni…” no mety hampiharina aorian’izay, ka samy tsy havela hilatsaka avokoa ireo efa nitondra teo aloha. Samy miandry izay ho vokatry ny fihaonana ny rehetra. Hanaiky an’izany ve i Hery Rajaonarimampianina, ary raha izay tokoa no izy moa va hanaiky izany ihany koa ny kandida hafa toa an’i Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana ?Fa ny azo antoka aloha dia manaraka akaiky ny toe-draharaha eto Madagasikara i Frantsa ary tena mbola manana ambara ka izay angamba no nahatonga an-dRajaonarimampianina efa nanao don-tandroka ihany koa hoe : isika Malagasy no tompon’ny fanapahan-kevitra farany fa tsy ny vahiny.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT