Ny 24 ka hatramin’ny 27 mey izao dia i Madagasikara no handray ny andiany faha-15 amin’ny fihaonana an-tampon’ireo “Franc Maçon” na ny “Conférence mondiale des grandes loges régulières” .
Maro ny hevitra miady mikasika ity fikambanana ity. ho an’ireo mpikambana ao anatiny dia fikambanana natao hanasoa ny mpiara-belona izy ity ary ny hanatsarana ny toekaren’ny firenena mandray izany no anton’ny fihaonambe. Ho an’ireo mpitondra fivavahana sasany kosa anefa dia tetika iarahan’ireo mpanankarem-be maneran-tany hifehezana ho azy ireo samirery izao tontolo izao izy io/ Izany no dikan’ilay sarina telozoro ahitana maso tokana eo amboniny na koa hoe maso mahita ny zava-drehetra amin’ny marika famantarana ity fikambanana ity. Fifanandrifian-javatra ve sa tena misy hifandraisany amin’izany ny fahitana ireo karazan-tsary famantaran-drafitra sy filamatra hita eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ? Toy ny an’ny sampana mpisoroka ny loza (BNGRC) sy ny sary famantarana ny teny filamatry ny fitondram-panjakana hoe “Fisandratana mirindra” izay samy mampisongadina ny telozoro izay lahimatoan’ny sary famantarana ny Franc Maçonnerie maneran-tany.
Rabri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.