Nivoaka ny vaovao amin’ny fanafoanana ny fahazoan-dàlan’ny Antoko Tiako I Madagasikara hankalaza ny faha-15 taona nijoroany ny sabotsy 8 jolay izao noho ny resaka fiahiahiana fanakorontanana (?) Araka ny nambaran’ny prefektiora.
Ny Birao politikan’ny Antoko Tiako I Madagasikara miaraka amin’ny solombavambahoaka tarihin’ny filohan’ny vondrona parlemantera TIM, Randriamandimbisoa Felix dia manana fahazoan-dàlana ara-dalàna. Tsy tokony hisy izany ny fihemorana izany fa misy foana ny fankalazana ny faha-15 taona niorenan’ny TIM Antoko, hoy io depiote io omaly tolakandro. Koa eto izahay dia miantso ny vahoaka, aza misalasala fa tongava daholo amin’ny sabotsy izao, fa tsy mety izany omeko tsy omeko izany, hoy izy. Tany misy lalàna ity, ka izahay dia tsy hihemotra fa dia tohizana hatrany ny fankazana ny 8 jolay, izay hoentina am-pahatsorana sy am-pitiavana ary am-pilaminana, hoy ny depiote Randriamandimbisoa Felix. Tsy fanonganam-panjakana io fa tena atao faran’izay tsotra satria fotoam-pivavahana no betsaka arahin’ny fampisahoana ara-javakanto. Aminay izany dia tsaho fa miantso ny vahoka tsy an-kavanaka tsy handairan’izany ary ho avy eny Mahamasina mandritra io fotoan-dehibe io, hoy hatrany izy. Tsiahivina rahateo fa efa nisy ny fahazoan-dàlana mitondra ny laharana 191-MID/PREF.POL.AG navoakan'ny Prefekrtiora ny 30 jona teo taorian’ny fangatahana fahazoan-dàlana mitondra ny laharana 015-TIM/PN/2017 ny 29 jona nataon’ny TIM. Matoa nivoaka ny alalana dia efa vita fandinihana daholo izany, fa tsy tsy atao resa-jaza. Voizina ny resaka korontana handotoana ny saim-bahoaka tsy ho avy. Nambara fa azo atao ny mangataka alalana vaovao sy toerana hafa saingy anjaran’ny filan-kevitra no manome izay alalana izay. Aiza ny toerana azo antoka ankoatra an’I Mahamasina? Ny fampahalalam-baovao sy ny fanetanana nataon’ny antoko TIM rahateo dia efa masaka ny hoe eny Mahamasina ary rehefa hita fa hahazo olona maro be dia mihorohoro ny fitondrana satria olona resy lahatra sy tsy voavidy vola tahaka ny an’ny HVM, taterina sy hizarana 5000Ariary isam-pokontany no ho avy etsy Mahamasina. Any anaty tambajotra fesiboky, ohatra, dia mahatratra 48000 ny olona manaraka manokana ny fampahalalam-baovao mikasika io fihaonana io ao amin’ny pejy ofisialin’i Marc Ravalomanana ankoatra ireo maro hafa tsy tanisaina.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.