Politique

Fihaonan’ny filohan’ny ankolafy 4 Hotanterahana atsy Maorisy ny 18 jona izao ?


  • Alarobia 16 Jona 2010

Mety ho ao Port Louis, atsy amin’ny nosy Maorisy no hanatanterahana ny fihaonana manaraka eo amin’ireo filohan’ny ankolafy efatra, dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Marc Ravalomanana, Albert Zafy ary Andry Rajoelina.

Any amin’ity nosy rahavavy ity, araka ny tsiliantsofina re no mahamety ireo filohan’ny ankolafy efatra. Ny ao Afrika Atsimo rahateo moa dia mbola ao anatin’ny fikarakarana tanteraka ny fiadiana ny amboara eran-tany ka tsy te hiditra amin’ny resaka politika mihitsy aloha. Raha voatazona io daty io dia iray andro aorian’ny hahatongavan’i Joaquim Chissano eto Antananarivo izany no hanatanterahana azy. Efa nanombatombana ihany moa ny mpanara-baovao politika fa ny handresy lahatra an’i Andry Rajoelina mba hanaiky ny hiverina amin’ny fifampiresahana an-tadabatra no anton-dian’ity lehiben’ny vondron’ny mpanelanelana iraisam-pirenena eto amintsika ity. Tsy mametraka olana mihitsy amin’ny daty sy ny toerana hanatanterahana ny fifidianana mantsy ny izy telo mirahalahy filohan’ny ankolafy telo, saingy ny fidongian’i Andry Rajoelina tsy handeha intsony no tsy mety mahatanteraka ny fihaonana.

Tanjona ho an’ny rehetra moa ny ahitana vahaolana eken’ny rehetra ivoahana amin’ity krizy ity, mialoha ny fetim-pirenena ny 26 jona. Io vahaolana io no ambaran’ny rehetra fa fanomezana tsara indrindra ho an’ny vahoaka malagasy, ary tsara lavitra noho ny fampisehoana sy ny fety handaniam-bola etsy sy eroa. Araka ny tombantombana dia hanaiky io fihaonana manaraka io ny filohan’ny HAT satria fahotana mahafaty ho azy ny fandavana ny hikarohana vahaolana, indrindra fa ao anatin’izao vanim-potoanan’ny fetim-pirenena mampalaza ny fitiavan-tanindrazana izao. Etsy ankilan’izay moa dia maro ireo firenena sy fikambanana iraisam-pirenena sy vondrona maro samihafa eto amintsika no maniry ny hisian’ity fivoriana ity, ary azo ambara hoe manery mihitsy an’i Andry Rajoelina mba hanaiky ny handray anjara amin’izany sy hahay hifanaraka amin’ireo filoha teo aloha telo mirahalahy, izay samy efa tena nandefitra manoloana ny fizirizirian’ny filohan’ny HAT.

 
RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

Hijery ny tohiny
FTT