Politique

Fihaonan’ny efa-tonta Any Johannesbourg ny 28 aprily


  • Talata 20 Aprily 2010

Sarimihetsika sy fandrebirebena saim-bahoaka ireny filazana fa fanonganam-panjakana ka nisamboron’olona ireny, hoy ny sekretera jeneralin’ny MFM, Rakotovazaha Olivier.

Aoka hazava, hoy ity mpitari-tolona fa ny tolon’ny ankolafy telo dia tolona tamim-pilaminana, tsy mila ra mandriaka fa nentina tamim-pinoana sy fanantenana. Tsy ny ankolafy telo, hoy Rakotovazaha Olivier, no hanangana ady etsy sy eroa sy hanongam-panjakana satria izao tontolo izao dia efa mahita fa ny FAT no mpanongam-panjakana. Efa mahazatra izany fomba fiady izany. Mitohy ny tolona, hoy Rakotoamboa Jean Louis nanamafy, tetsy amin’ny kianjan’ny Fanantenana Tanjombato, omaly. Omaly koa no namantarana fa dia ny 28 aprily ho avy izao, izany hoe amin’ny alarobia heriny  no hihaonan’ireo lehibena ankolafy 4 any Afrika Atsimo. Raha ny fantatra dia ny Sadc no tompo-marika amin’io fihaonana io, fa hanampy amin’ny fanamorana ny dinika fotsiny ihany i Frantsa sy Afrika Atsimo. Ity izany no fihaonana faha-4 mivantana teo amin’ireo lehibena ankolafy efatra ireo dia Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy ary Rajoelina. Araka ny lahatenin-dRakotovazaha Olivier ihany moa dia tsy miverin-dalana ny tolona fa ny fampanjariana ny satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana Addis Abeba. Tsy hanaiky hofandrihan’olona izahay, hoy ihany ireto mpitarika ka izany no maha mailo azy ireo amin’ny fitarihana ny tolona. Na dia eo aza ny famoretana, ny fampitahorana fanagadrana sy fisamborana izay ataon’ny FAT dia tsy maintsy mitohy ary mandresy ny tolona nimasoana. Amin’ity anio ity dia eny Behoririka, ao amin’ny kianjan’ny Finoana no hifamotoana ireo mpitolona mitaky ny fampiharana ireo fifanarahana vita sonia tany Maputo sy Addis Abeba. 

Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

  • FITAKIANA IREO "ILES EPARSES"
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Velona indray ny fanantenana

  • 14 Oktobra 2026
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Sady Fetin'ny Repoblika

  • Fahatsiarovana ny tolom-bahoaka
  • Alarobia 23 Septambra 2026

Natokana ho andro

  • Boing nalefa any Iran
  • Talata 22 Septambra 2026

Olona 28 sy orinasa 5

  • Fahombiazan'ny diplaomasia
  • Talata 22 Septambra 2026

Manamafy ny fisiany i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT