Politique

Fihaonan’I Dadavalo sy ireo nanongana azy Inona no tao ambadika?


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Hafa raha samy mpanao politika eto amin’ny firenena I Marc Ravalomanana. Tamin’ny herinandro lasa teo dia ahabe resaka ny maro ny fihaonana nisy teo aminy sy ireo mpanao politika vitsivitsy nanongana azy tamin’ny 2009

. Mbola tafiditra ao anaty famahana krizy isika amin’izao fotoana izao ka nijoro hatrany tsy ho sakana izy ary nanaiky tamin-kitsim-po ny fampihaonana notarihin’ny vondrona iraisam-pirenena. Olona manana ny foto-kevitra ara-politika nijoroany I Marc Ravalomanana ary tsy nanaiky norebirebena tamina resaka vao maika handetika ny firenena toy ny resaka fitarihan’olona hanongam-panjakana. Tsy izany ny azy no atao hoe politika fa fanaovana fanamby hoenti-mandresy ny fahantrana. Tsy sasatra ny tenany no mivoy ny fifampiresahana sy ny fifampidinihana manoloana ny olana eto amin’ny firenena ankehitriny. Ny fanaovana politika dia mila firaisan-tsaina sy fiarahana mandray fiaingana ho an’ny tena fampandrosoana. Tsy vahaolana ny fifanenjehana ara-politika ka nahatonga an-dRavalomanana nihaino ireo olona nanongana azy. Resaka no hampiadiana ary miainga amin’izay tapaky ny besinimaro ny fanapahan-kevitra raisina eto amin’ny firenena manoloana izao fiainam-pirenena latsaka an-davaka izao. Mila hampadeferana ny hampom-po raha te hijery ny firenena ka ny fahantrana no fahavalo iraisana.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dr Pierre
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

Michel Ralaivelo

  • FIKAMBANANA
  • Alatsinainy 02 Novambra 2026

BANDEAU ROUGE

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien AimĂ©
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

Hijery ny tohiny
FTT