Politique

Fihaonamben’ny Mpanjaka sy Zanakandriana «Tsy hisy ny Repoblika faha-4 fa Mpanjaka no hitondra»


  • Zoma 11 Jona 2010

“Natao veloma tamin’ny 17 martsa 2009 ny Repoblika fa ny fanjakan’i Madagasikara na ny fanjakan’ny Mpisorona no hajoron’Andriamanitra eto Madagasikara ary tsy misy mahasakana izany fandaharan’asan’ny Tompo izany na olombelona na vondron’olona na firenena vahiny”.

Izay no fanambarana navoakan’ireo Ampanjaka sy Zanakandriana eto Madagasikara nandritra ny fihaonambeny tao amin’ny La Résidence Ankerana ary nampahafantariny omaly. Raha ny fanazavana nentin’ny Andriana Rabarioelina Ndriana, mpitarika ireo Zanakandriana dia amin’ity taona ity ihany dia efa hipetraka io Fanjakana mpisorona io. “Tsy hisy ny fifidianana fa Andriamanitra no efa mandahatra ny zava-drehetra. Aorian’ny 26 jona izao sy mialoha ny 31 desambra 2010 no fe-potoana hitsanganany». Ny lapan’i Manjakamiadana kosa no ho toeram-piasan’izay Mpanjaka hitondra eo noho ity vakoka ity izay mariky ny fiandrianam-pirenena. Tsy nety nanambara ny anaran’io Mpanjaka hitondra ny firenena io kosa anefa ireto Ampanjaka sy Andriana ireto fa ho fantatra amin’ny fotoana maha mety azy izany, hoy izy ireo. Raha ny fanazavan-dRabarioelina Ndriana ihany dia vita hatreo koa ny Repoblika faha-4 ka ho diso hevitra izay manomana ny fidirana amin’izany. «Tsy misy hahomby ny Pretoria sy Maputo na koa ny Dinika Nasionaly fa hihodinkodina eo fotsiny ireo mpitady vahaolona mankato azy ireny». Nambara koa fa hanana ny fahaleovantenany tanteraka i Madagasikara ka tsy hiankin-doha amin’ireo firenena vahiny intsony. Hiroborobo ankoatra izay ny seha-pihariana ka ao anatin’ny herintaona monja dia hitovy sanda amin’ny “euro” ny “Ariary” ary horaisin’ny orinasa malagasy avokoa ny fitantanana ireo fitrandrahana ny harem-pirenena.

Momba ny rafi-panjakana indray dia ny Mpanjaka no filoha ary manana ny filankevi-pirenena sy ny filankevitry ny Mpanjaka sy Andriana izay hanolotsaina azy. Ny praiminisitra kosa no lehiben’ny fahefana mpanatanteraka. Misy roa koa ny fahefana mpanao lalàna dia ny Antenimieram-pirenena izay ahitana ny solontenan’ny olom-pirenena, ny raiamandreny am-panahy, ny tanora, ny tantsaha, ny avara-pianarana, ny mpandraharaha ary ireo sendika. Tsy misy ny fifidianana andraisan’ny olom-pirenena mivantana fa ny sokajy sy vondrona no mifidy izay solontenany ao amin’ny Antenimiera. 30 ny isan’ny mpikambana ka samy hanana solontena iray avy ny fanjakan’Andriana 30. Ny Antenimieran’ny Andriana kosa no mandrafitra ny fahefana mpanao lalàna faharoa. Momba ny Fitsarana indray dia ankoatra ny fitsarana araka ny endriny amin’izao fotoana dia hatsangana koa ny Fitsarana nentim-paharazana izay manome fahefana ny dina. Misy Fototra 7 moa ny soatoavina iorenan’ity Fanjakana mpisorona ity raha ny nambara ihany dia ny fanajana ny Zanahary, ny Mpanjaka, ny hasina, ny fahamarinana, ny fihavanana, ny firaisankina, fiarovana ny tanindrazana ary ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Anthelme Ramparany
  • Zoma 24 Aprily 2026

"Halaviro ny fampizarazarana

  • FITONDRANA ETO MADAGASIKARA
  • Zoma 24 Aprily 2026

Matetika misy poizina manodidina ny Filoha...

  • Fikaonan-doham-pirenena
  • Zoma 24 Aprily 2026

Haroso amin'ny volana May

  • Hary Razafindrazaka
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Manameloka ny fisamborana tanora

  • Afera fifofoana ny ain’ny Filoha
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

Nivoaka ny anaran’ireo olona 11 any am-ponja…

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Alakamisy 23 Aprily 2026

«Ohatrany samy lasa manana ny Gen Z-ny!»

Hijery ny tohiny
FTT