Efa tamin’ny andron’ny praiminisitra Kolo Roger no nandeha ny fampitam-baovao fa ny Hopitaly manarapenitra eny Andohatapenaka no handraisana ireo tsy salama amin’ireo mpandray anjara amin’ny fihaonamben’ny frankofonia amin’ny volana novambra
. Hatreto aloha, tsy mbola nandrenesana fanapahan-kevitra na vaovao nandiso io filazana io. Ny mampametra-panontaniana dia efa tomombana ve ny fotodrafitrasa ao anatin’ity hopitaly ity rehefa tonga tokoa ilay fotoan-dehibe ?
Tsy hatory eto
Hatreto aloha dia tsy hanam-paharoa ny fahafaham-baraka raha tsy lavorary ireo raha hatao eto ihany ny fihaonambe. Resaka mandeha koa amin’izao fotoana ny tsy handrian’ny vahiny eto fa ho atsy La Réunion izy ireo no hatory noho ny tsy fandriampahalemana. Ho fantiantoka tsy hanam-paharoa eo amin’ny sehatry ny fizahantany, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay raha mitranga. Efa nilaza anefa ny filoham-pirenena fa efa tomombana ny zava-drehetra ka dia hirariana mba ho izany tokoa.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.