Efa tomombana ve ny zavatra rehetra ? Mbola izay ihany izao ny fanontaniana mipetraka eny am-bavan’ireo mpanara-baovao mikasika ny fanomanana ilay fihaonambe iraisam-pirenena ho an’ny tany miteny frantsay izay efa tsy lavitra intsony fa afaka 2 volana
. Efa tany amin’ny volana janoary no nisy ny vaovao nampahafantatra fa miisa 3000 ny efitrano fandraisam-bahiny ilaina hipetrahan’ireo mpandray anjara amin’ity fihaonana ity. Hatramin’izao anefa, tsy misy ny tarehimarika mazava mampahafantatra fa manana efitrano ahafahana handray izany tokoa isika. Ny tohin’ny fanamboarana ireo tranobe eny Andohatapenaka sy eny Ivato moa mangingina. Mitaraina sy mitabataba ny manodidina ireo toerana voakasiky ny tetikasa momba ny frankofonia ity, izay voakasiky ny fandravana trano, toy ny teny Alarobia sy ny manodidina. Fotoana mandalo mantsy no handrodanana ny fonenany ary mety hahatonga azy ireo tsy hanan-kialofana mandrakizay. Ahiana hamotika zavatra maro ity fihaonambe ity. Raha misy fidiram-bola ho azo aza dia ho lany amin’ny fanarenana ireo simba sy hiahiana ireo traboina tsy fidiny rava trano fotsiny raha hangoraka azy ireo ny fitondrana.
Faralahimatoa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.